Taorian’ny hetsika fanadiovana faobe sy ny fampahafantarana natao manerana ny renivohitra, miditra amin’ny dingana vaovao ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) amin’ny alalan’ny fampiharana hentitra ny CMH (Code Municipal d’Hygiène), izay lalàna sy fitsipika mamaritra ny fikoloana ara-pahasalamana an-tanan-dehibe. Ity lalàna ity dia mifehy ny fahadiovana sy ny fomba fitondran-tena eny amin’ny toerana ho an’ny besinimaro, ary efa niteraka adihevitra maro teo aloha noho ny hamafin’ny sazy sy ny fepetra takiana amin’ny mponina. Amin'ity lafiny iray ity, ny fandikan-dalàna voasazy dia ahitana ny fametrahana fako, fotaka, tany, biriky, tavoahangy na vy amin’ny dabam-pako, ary ny fanariana fako, pipy, diky na rano maloto eny amin’ny arabe sy lakzn-dranlo, ary mazava ho azy ny famaniana ankalamanjana. Ireo mpandika lalàna dia iharan’ny onitra 50 000 ariary ary voatery hanadio avy hatrany sy hanarina ny toerana voaloto. Ankoatra izany, ny CMH dia mametraka fitsipika hafa toy ny fandraràna fanariana fako ivelan’ny ora voatondro izay mitarika onitra 5 000 ariary, ny fampiasana arabe sy sisiny ho toy ny garazy, toerana fivarotana entana, fanasan-damba, fanamainana vary na fivarotana fasika sy vato izay voarara tanteraka, ary ny fepetra momba ny fiompiana biby ao an-trano raha toa ka miteraka loto na manimba ny fahadiovan’ny manodidina. Voafaritra ihany koa ny fahadiovan’ny tsena sy ny fivarotana sakafo, izay mitaky fitaovana madio sy fanarahana fenitra ara-pahasalamana, ary ny sazy amin’ny fivarotana sy fanomezana toaka tsy ara-dalàna izay mety hahatratra hatramin’ny 5 000 000 ariary. Ny CMH dia mizara ny sazy ho sokajy maromaro, manomboka amin’ny 5 000 ariary ka hatramin’ny 5 000 000 ariary, arakaraka ny hamafin’ny fandikan-dalàna. Fepetra niteraka adihevitra an-taonany vitsivitsy izay satria ny sasany nilaza fa mavesatra loatra ny sazy ary tsy mifanaraka amin’ny zava-misy ara-toekarena, raha ny hafa kosa nanohana fa ilaina ny fepetra hentitra hanarenana ny fahadiovan’ny tanàna sy hanomezana endrika mendrika an’i Antananarivo. Betsaka ireo lamina sy lalàna mipetraka toy ny tsy fahafahana manao fiompiana lehibe toy ny kisoa na omby an-tanan-dehibe saingy tsy voahaja. Tsy ho fepetra an-tsoratra fotsiny intsony izany ny CMH manomboka eto fa ho tanterahina, ho fiarovana ny fahasalaman’ny mponina sy ny endriky ny renivohitra? Ahoana ny handraisan'ny besinimaro azy? Ilaina tokoa ve ny sazy raha samy manaja fitsipika sy lamina toy ny fahadiovana izay ho an'ny soa iombonana? Rahoviana vao tena ho tafapetraka ny tany tan-dalàna raha miainga amin'ny zavatra heverina fa fomba fiaina tsotra aza ilàna fanenjanana?
Toky R