airtel

Actualités

26-déc-2025

Mikomy i Richard Ravalomanana

«Hamaly sy vonona ho faty aho raha misy sahy manafika ahy !»

Sample post image

Nafana ny toe-draharaha manodidina ny Jeneraly

26-déc-2025

misotro ronona Ravalomanana Richard ny takarivan’ny alarobia 24 desambra 2025 lasa teo, taorian’ny fanesorana azy tsy ho loholona rehefa nohamarinin’ny HCC ny tsy fahitana azy tao anatin’ny fivoriana ara-potoana manontolo tsy nisy fanazavana sy porofo naharesy lahatra, ka nosokajiana ho naman’ny niala. Niparitaka feo sy ny vaovao fa hoe hisy fisamborana. Efa nisy andiana mpitandro filaminana tonga teny Ambatovinaky misy toeram-ponenany, saingy tsy nisy tatitra sy fanazavana ofisialy. Voalaza kosa fa nahazo fampiantsoana ho eny anivon’ny tobin’ny zandarimaria Toby Ratsimandrava ity filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha ity omaly 24 desambra 2025. Anton’ny fampiantsoana ny fanohitohinana ny fiandrianam-pirenena sy ny filaminana anatin’ny Firenena « atteinte à la sûreté de l’État », raha ny vaovao niparitaka. Andaniny, nisy ny karazana fanambarana nataony nilaza fa miomana amin’ny fahafatesana izy ary nanao veloma farany raha tsy tafahoana intsony. Nampahafantatra izy fa tsy nisy heloka na ratsy nataony, saingy nilaza fa misy fanararaotam-pahefana mitranga. Voalaza fa ny Procureure no nanao sonia ny taratasy “soit-transmis” izay nahatonga azy haneho fanoherana hentitra. « Rehefa tsy fantatro ireo fa fanararaotam-pahefana dia hamaly aho, vonona ho faty aho. », hoy ity Jeneraly misotro ronono ity. Nilaza fa efa nampiomana ny sain’ny zanany amin’ny mety ho fiafaran’ny fiainany satria ny azy efa vita raha ny filazany. Nambarany fa raha misy sahy hanafika azy dia vonona hamaly izy, na dia mety hitarika amin’ny fahafatesana aza. « “Ny ahy efa vita ny fiainako, tsy hay ny havoakan’ny ampitso raha hisy sahy hanafika ahy, dia hamaly aho ka mety ho faty aho.”, hoy hatrany ity farany. Nisy zandary tonga tao amin’ny tranony, saingy nilaza izy fa nivoaka niaraka tamin’ny basy ka nahatonga tahotra teo amin’ireo. Araka ny filazany, mbola tsy hita ny tena mpaniraka, ka manontany tena izy momba ny mety ho fivoaran’ny raharaha amin’ny ampitso. « Efa hanafika ahy izao hono ny zandary, fa rehefa tsy mahavita dia ho avy ny GFSI Présidence. Izaho ato an-trano tsy mifandray amin’olona, misy « garde » afaka nanamarina izany. Inona no « atteinte contre la sûreté de l’État » foronina eo. Nambarany tamin’io fa efa tonga koa ny GSIS hanao « renfort » amin’ny fisamborana azy. Izaho tsy hanaiky fa izay hiafarany any. Raha tsy tafaresaka intsony moa fa hisy fifampitifirana dia efa manao veloma zandry. », hoy hatrany ny tenany. Nambarany fa ny vola azony dia efa nampiasaina tamin’ny asa soa toy ny fanamboarana lalana, sekoly, fiangonana, CSB 2 ary fikambanana samihafa. Na izany aza, hoy izy, dia mbola iharan’ny fanafihana sy fandrahonana. Nilaza ingahy Richard Ravalomanana fa vonona amin’izay mety hiafaran’ny toe-draharaha izy, ary efa manao veloma mandrakizay.
AHIANAHO MIKONONKONON-JAVATRA ?
Naneho fa vonon-ko faty izany ity manamboninahitra ambony isan’ny nalaza tamin’ny raharaha 2009 sy ny Fanjakan-dRajoelina ity. Manana ny nambarany izy, fa misy antony ihany koa ny Fanjakana matoa mampiantso, saingy tsy namaly izy, ka mety ho tonga amin’ny fisamborana, raha raisina amin’ireo vaovao tsy ofisialy miparitaka. Tsy vao izao rahateo no nilazan’ny Fitondram-panjakana amin’ny resaka fikasana hanao fanakorontanana, resaka fampidirana fitaovam-piadiana teto,… Misy loharanom-baovao milaza fa ny volana jolay 2025 teto no efa nisy fampidirana fitaovam-piadiana nanomanan-javatra teto. Mazava ho azy fa tena karapahan’ny Fitondrana ankehitriny io, ary efa nisy ny fampitandremana maro manoloana ny fikasana hanakorontana. Tafiditra amin’ny afera tahaka izany ary ahiana ho mitazona fitaovam-piadiana mahery vaika ve ohatra ity manamboninahitra ambony efa misotro ronono izay efa avy nitazona toerana ambony stratejika teo anivon’ny zandarimaria sy tamina andrim-panjakana ambony ary efa filoham-panjakana vonjimaika ity ? Asa hanao ahoana ny tohiny ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap