fanafoanana ny sazin'i Madagasikara
Nandray anjara tamin’ny Fihaonana an-tampony faha-iraikam’ambin’ny folon’ireo Filoham-pirenena sy lehiben’ny governemanta mitantana ny Fikambanan’ny Fanjakana Afrikana, Karaiba ary Pasifika (OEACP) tanterahina any Malabo renivohitr'i Guinée Équatoriale i Madagasikara tamin'ny alalan'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Ramatoa Alice N’Diaye. Fihaonana izay nitondra ny lohahevitra hoe « OEACP nohavaozina sy novaina ao anatin’ny fiovan’izao tontolo izao». Nohamafisiny nandritra ny lahateniny ny antso nataon’ny filohan'ny fanavaozana ny Repoblika Kolonely Randrianirina Michael izay efa nialoha lalana nanao fitsidihana tany an-toerana, mba hahazo fanohanana avy amin’ireo firenena Afrikana amin’ny fanafoanana ny fampiatoana ny fandraisany anjara ao anatin’ny hetsika sy rafitry ny Vondrona Afrikana, amin’ny fanasongadinana ireo ezaka efa natao hiantohana ny fitoniana ara-panjakana sy hanohizana ireo fanavaozana efa natomboka. Nasongadin-dRamatoa Minisitra nandritra izany ny dingana rehetra efa natomboka eto Madagasikara, izay mitodika amin’ny fanamafisana ny rafitra sy andrim-panjakana, hanatsara ny fitantanana ary hamorona fepetra hahafahana mampandroso ny firenena. Nanamafy ny fahavononan’i Madagasikara handray anjara mavitrika ao anatin’ity vondron’ny OEACP ity sy hampiroborobo ny fiaraha-miasa miorina amin’ny firaisankina, ny fifampiresahana ary ny fandrosoana iombonana eo amin’ireo firenena Afrikana, Karaiba ary Pasifika, Ramatoa Minisitry ny Raharaham-bahiny. Nanentana ny vondrona ihany koa izy mba hiompana amin’ireo laharam-pahamehan’ireo firenena mpikambana sy ny vahoakany ny ezaka rehetra mba hahazoana vokatra azo tsapain-tanana sy refesina, indrindra amin’ny sehatry ny toetrandro, ny varotra ary ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary.
Jean D.
Ramatoa Alice N’Diaye, Minisitry ny Raharaham-bahiny nandritra ny Fihaonana an-tampony faha-11 ny OEACP tany Malabo
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»