airtel

Actualités

27-mars-2026

Minisitra Todisoa Andriamampandry

« Ataontsika izay hampiroborobo ny

Sample post image

fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa ! »

27-mars-2026

Tsy niandry ela fa omaly ihany dia niroso tamin’ny fifamindram-pahefana ny teo anivon’ny Minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa, taorian’ny naha voatendry ny solombavambahoaka Todisoa Andriamampandry ho minisitra misahana io departemanta io. « Vonona aho ary hanao ny faraheriko rehetra hampandroso ity Minisitera ity », hoy ny Minisitra Todisoa Andriamampandry izay nankasitraka ny ezaka sy asa nataon’ny nodimbiasany dia ny Minisitra teo aloha Tsilefa Antonio. Tanjona mazava napetraky ny Minisitra Vaovao ny hanatsara ny asan’ity Minisitera ity amin’ny fomba maharitra. Hohatsaraina ny fanabezana, ary hampitomboina ny isan'ny ivo-toera-pampianarana. Nanome toky fa hanao izay mety hiady any amin’ny filankevitry ny minisitra, hampiana ny CFP sy ny Lisea teknika,… Hijery ny olana samihafa toy ny « vacation » izay ezahana ny hiresaka amin’ny governemanta sy ny Minisitera samihafa toy ny minisiteran’ny vola ny hampiakarana azy. Hijery ny fomba hampiakarana ny « recrutement » fa mialohan’izay dia hojerena aloha ireo teo aloha. Naneho fa haneho mangaraharaha fa tsy misy ny kiantranoantrano, ka mitovy ny rehetra. Hijery ny fomba hanarenana ireo fotodrafitrasa, ny fitaovam-pitaterana,… Nitodika tamin’ny mpiara-miasa fa amin’ny fanendrena dia tsy hanilika, fa hisy ny « promotion interne » ary hanome lanja ny ny sendika, vonona hifampidinika ho an’ny fanatsarana,... Notsipihiny fa tokony ho maoteran’ny fampandrosoana ity Minisitera ity satria miankina amin’izany ny maha izy ny olona, indrindra ny asa, ary tokony hiompana amin’ny famokarana ny tanora, any amin’ny kolejy dia efa tokony hampianarana an’izay mety aminy ny ankizy. Nanipika moa izy fa tsy hoe miala amin’ny maha depiote, fa vao mainka nahazo sehatra ahafahana manompo ny vahoaka ho soa ho an’i Madagasikara, ka mandray izany ampanetren-tena. Nisaotra ny Filohan’ny fanavaozana, ny Praiminisitra, ny Filohan’ny Antoko TIM sy ny birao politika nanohana 100% nanolotra azy ho Minisitra. « Matoa aho niditra nahazo tsodrano avy any amin’ireo Raiamandreny maro, fa tsy nisolantsolana toy ny vinanto tsy mahare fosa, fa nisy fifanarahana tamin’ireo Raiamandreny teto amin’ny tany sy ny Firenena », hoy ny Minisitra Todisoa Andriamampandry. Notronin’ny ankolafin-kery samihafa eto amin’ny tany sy ny Fanjakana, ka nanaovany vazivazy fa vita eto sahady ny fampihavanam-pirenena ary misy ny fifamatorana sy fifampatokisana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap