airtel

Actualités

08-janv-2026

Minisitry ny serasera

Hihaona amin’ireo tompona haino aman-jery

Sample post image

Hisy ny fihaon’ireo tompona haino aman-jery

08-janv-2026

amin’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina rahampitso zoma, raha ny fampitàm-baovao voaray. Ho an’ireo any amin’ny Faritra dia efa misy ihany koa ny toromarika eny anivon’ny DRCC na fiadidiana isam-paritr’ity minisitera ity rehetra mba ahafahana mandray anjara amin’izany, hoy ny fanazavàna. Lohahevitra hodinihina ny anjara andraikitry ny serasera eo amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina. Ho resahina mandritra io andro io ihany koa ny fanohizana indray ny tetikasa hivadihana amin’ny TNT na «télévision numérique terrestre». Efa nandefasana fanasana avokoa ireo tratra antso. Ho an’ireo tsy afaka miakatra aty Antananarivo dia anjaran’ny DRCC no mampita ny hafatra sy ny zavatra tapaka rehetra nandritra io fihaonana io. Ao amin’ny efitrano Dox, ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, no hanatanterahana ny fihaonana izay hanomboka amin’ny 10 ora maraina, raha ny fanazavàna hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-juil-2026

125 Miliara Ariary eo hatreto ny kaonty nogiazana

Card image cap
17-juil-2026

Miara-miasa amin’ny rafitra iraisampirenena ny ARAI

Card image cap
17-juil-2026

Vao nanomboka dia nangotraka ny delestazy...

Card image cap
17-juil-2026

Misy mibodo ny tanin'ireo mponina

Card image cap
17-juil-2026

marika World Cola ny mpanankato Denise.

Card image cap
17-juil-2026

mampanahy raha tsy miara-mientana isika»

Card image cap