ara-miaramila eto amin'ny firenena toy ny CAPSAT sy RM1 ny sabotsy teo. Fanambarana izay raha fehezina dia nifantoka indrindra tamin'ny fanomezan-toky ireo vahoaka mitolona ho fanoherana ny tsy rariny eto amin'ny firenena amin'izao fotoana izao. Nanohy izany fanambarana izany koa ireo manam-boninahitra Jeneraly eo anivon'izay rafitra ara-miaramila izay hatrany saingy nomen'ny filoham-pirenena ankehitriny fitokisana ho praiminisitra sy minisitra. Ireto farany indray dia nifantoka tamina antso fifampidinihana sy fifampiresahana. Isan'ny nisongadina indrindra ny fipoiran'ireo miaramila manam-boninahitra Jeneraly sy Kolonely toa an'ny Jeneraly Lilyson De Roland sy ny Kolonely Charles Andrianasoavina indray. Ireto farany moa izay nandray anjara lehibe tamin'ny fametrahana izany fitondrana Rajoelina izany ny taona 2009, 16 taona lasa izay. Tsy ny avy eo anivon'ny fianakaviamben'ny miaramila ihany anefa no hita ho niseho miha miandany amin'ireo vahoaka mitolona fa isan'ny nipoitra koa ny manam-boninahitra eo anivon'ny polisim-pirenena, ny depiote teo aloha, Brunelle Razafitsiandraofa. Hita ho miova, araka izany, ny sary eny an-kianja satria dia hita ho miha miandany amin'ny vahoaka ihany koa nanomboka ny sabotsy teo ny tafika malagasy.
Nangonin'i J. Mirija
Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"