fa hasondro-boninahitra, raha ny fampitam-baovao voaray. Miisa 22 amin’ireo no Kolonely nakarina ho amin’izay anaram-boninahitra izay. Niampy 22 indray izany ny isan’ireo nakarina ho Jeneraly. Ho an’ny tafika an-tanety dia miisa 6 ireo nitondra ny mari-boninahitra «Général de brigade» (GBR) teo aloha no lasa «Général de division» (GDI), izay ahitana ny GBR Rakotonandrasana René Bruno, GBR Rakotondramanana Jimmy Clark, GBR Pikulas Démosthène, GBR Rahajandrainy Dieudonné Jeannot Parfait, GBR Rasoloniaina Herintsoa Gabriel, GBR Andriamasinoro Fanjanirina. Ny GBR Solo Andrianantenaina Angelito kosa no nakarina ho GDI ho an’ny tafika ana habakabaka. Ny CAM Rakotoarison François Hubert ho an’ny tafika an-dranomasina. Tsy nahitàna izany kosa ho an’ireo manam-boninahitra misehatra amin’ny fahasalamana. Miisa 5 ireo nakarina ho GDI eo anivon’ny zandarimaria nasionaly dia ny GBR Bama Marima, GBR Ramasitera Ny Haingo Zafinirina, GBR Ralaivoanary Andrianoasy D'y la Paix, GBR Tsiketa Bernard Dieu Donné, GBR Ravoavy Nandrasanarisoa Zafisambatra. Miisa 10 ireo Kolonely (Col) nakarina ho GBR eo anivon’ny tafika an-tanety dia ny Col Ratsimbazafy Jean Damascène, Col Rasehenoson Raymond Patricia, Col Rafidison Alain Bernardin, Col Ratolojanahary Johnson Bernard, Col Jaotiana Fernand, Col Ralaimampandry Benoit, Col Rakotondrabary Eric Alain Robert, Col Randrianirina Mamisoa Olivier, Col Rakotonandrasana Ambinintsoa, Col Randrianarison Elizea Lalaina Ratiarison. Ho an’ny tafika ana habakabaka dia ahitàna ny Col Rabemizana Toky Fihandrianana sy Col Razafindrakoto Andrianjaka Tefinirina Lucien. Ho an’ny tafika an-dranomasina dia ny CVA Mamy Rakotomanga Dieudonné sy CVA Andrianirina Hery Léonide. Ho an’ireo misehatra amin’ny fahasalamana dia ahitàna ny Col Miandrisoa Rija Mickael sy Col Randriantsara Iharijaoniaina Joé. Ho an’ny zandarimariam-pirenena dia ahitàna Kolonely miisa 6 izany dia ny Col Mihajary Eric Idris Bilair, Col Ramaminirina Solofoniaina, Col Rabialahy Solofoson Lucien, Col Ndrianamboarina Florentin, Col Randrianarimasy Radosoa, Col Ratsimbazafy Jerry Michel, raha ny fampitam-baovao voaray omaly hatrany.
J. Mirja
Ny 15 aprily 2025 teo no voalaza fa efa hita ny marimaritra iraisana teo amin’ny
Manana akora fototra maro isan-karazany i Madagasikara, ary manana tany
Namoaka vokatra vaovao ny orinasam-pifandraisana Airtel hiarovana ny mpanjifa amin'ireo
Zatovovavy kely iray vao 17 taona monja monina eny Sabotsy Namehana
Olona 7 mianaka indray no fantatra fa tratran'ny fanapoizinana ara-tsakafo
Teratany vahiny iray monina eny Andranovelona Ilafy no mampitaraina ny mponina