airtel

Actualités

09-juil-2025

Misaona ny fanaovan-gazety malagasy

Nodimandry i Hajaniaina Randriamanarivoarivelona

Sample post image

Misaona indray ny fanaovan-gazety malagasy. Nodimandry ny alahady 06 jolay 2025,

09-juil-2025

teo amin'ny faha-47 taonany ny namana mpanao gazety, Hajaniaina Randriamanarivoarivelona na i Haja. Araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ny mpanao gazety, Jeannot Ramambazafy, izay isan’ny akaiky azy fahavelony dia iny alahady hariva iny, rehefa avy natory atoandro ny lehilahy dia nandro. Tao izy no nitambotsitra ka ela vao hitan’ny vadiny satria rehefa ao amin’ny efitra fandroana na «douche» izy, ela dia ela ihany. Rehefa niditra tao ny vadiny, satria toa ela noho ny mahazatra, dia i Haja efa mivalampatra mivoaka rà ny vavany ary miakatra ny masony. Mpanao gazety, mpaka sary tao amin’ny Madagate i Haja ary mpikambana feno ao amin’ny RJSET na «Réseau des journalistes spécialisés en emploi et travail», efa tamin’ny andron’ny Praiminisitra ankehitriny, Ntsay Christian, lehiben’ny sampan’ny OIT aty amin’ny ranomasimbe indianina. Izy nandao antsika io dia mpiasan’ny minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga. Voan’ny «gros cœur» izy ka isan’ny antony iray nahatafiditra azy ho mpiasam-panjakàna mba ahazoany misitraka ny fitsaboana izay tsy maintsy nataony tamin’ny alalan’ny «prise en charge» na fandraisana an-tanana ny mpiasa izany. Nalefa notsaboina tany Inde izy tamin’ity taona ity ary tokony mbola hiverina any afaka volana vitsivitsy saingy izay moa no lahatra. Namela mananon-tena sy zanaka miisa 3 i Haja dia i Emilia Haingotiana, Emilia Hajatiana, Emilio Miarantsoa, hoy hatrany ny nambaran’i Jeannot Ramambazafy.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-juil-2026

Ahiana ny sabotazy goavana taorian’nytenin’ny PRRM

Card image cap
28-juil-2026

Nanome antoka ny ESAAMLG ny Fanjakana Malagasy

Card image cap
28-juil-2026

Tiana ampangaina ho mpamboly

Card image cap
27-juil-2026

Nangatahana ho atao amin’ny teny malagasy

Card image cap
27-juil-2026

Nodimandry ny Kolonely Botomanovatsara

Card image cap
27-juil-2026

Nisy fipoahana tao Ambohimanambola, hoy ny Jirama

Card image cap