mpianatra iray tany Fianarantsoa
Ramatoa iray sy zazakely eritreretina ho zanany izay tsy fantatra ny momba azy, ireo no hitan’ny Fokonolona maty an-drano manamorona an'Ikopa eo amin'ny mifanandrify amin’ny Sky blue ny marainan’ny sabotsy teo. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy mianaka ireto. Namono tena noho ny famoizam-po ve ? Nisy nanosika tao anaty rano ? Tra-doza tsy nahy ? Ny Kaomisaria Alasora sy ny CSB2 ALASORA no nijery ifotony ny razana, ary nentina niazo ny tranom-paty HJRA taorian’izay. Ankoatra azy mianaka ireo, mpianatra iray antsoina hoe Ratafitasoa Mario ihany koa no maty an-drano tao amin’ny barazy akaikin’i Andrainjato ao Fianarantsoa ny sabotsy teo. Voalaza fa nisy namana niaraka taminy ihany fa izy irery ihany no nirotsaka tao anaty rano Araka ny filazan'ny tompon- tany eo dia fady lamba mena na manasa zavatra mena eo, fady anasana vilany mainty , fady kisoa, ka raha avy nihinana hena kisoa tsy tsara mikasikasika rano any, manandronandro hoe io rano io, hoy ny fanazavana. Vao heritaona no nisy mpianatra avy any Antsirabe maty. Tovolahy avy any any Ambositra, Filohan’ny Fikambanana JUECA (Jeunes universitaires de l'église catholique Ambohimiadana Ambositra) izy io raha ny fanampim-panazavana. Mankahery ny fianankavian’ireo olona telo izay namoy ny ainy isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona