airtel

Actualités

05-févr-2026

Misesy ny zava-doza feno misitery

Tanana sy tongotra zazakely

Sample post image

hita niaraka tamin’ny labozia...

05-févr-2026

Tanan-jazakely iray niaraka tamin’ny labozia no hitan’ny ramatoa iray tao Ampasika Atsimo, ao amin’ny Fokontany Anosimasina, omaly maraina. Ora vitsy taorian’izay, ny tongony kosa dia hitan’ny olona notaritarihan’ny alika teny amin’ny manodidina ihany koa. Tsy nisy nanambara zaza very na tsy hita teny an-toerana, araka ny fanamarihan’ny zandary ao amin’ny tobim-paritr’i Bemasoandro, izay nampandrenesin’ny fokonolona sy nanao ny fitsirihana teny an-toerana. Mbola baraingo tanteraka ny mikasika ireto ratsam-batan-jazakely hita teny Ampasika Atsimo ireto. Misesy ny tranga mampivarahontsana tahaka izao. Sanatria ve misy ifandraisany amin’ilay fahitana fatin’olona mianaka teny amoron’Ikopa vao andro vitsy lasa izay? Sanatria ilay zaza iray hafa voalaza fa niaraka tamin’izy ireo fa tsy hita? Ny fanadihadiana ataon’ny manam-pahefana no hanamarina na handiso izany. Fa ny tsy azo lavina dia toa misesy ny zava-doza hafahafa mitovitovy. Asa misy ifandraisany ve? Ankoatra io teny Ampasika io, tany amin’ny Kaominina Ambovombe Centre, Distrikan’i Manandriana, ny herinandro lasa teo, nisy tranga mitovitovy. Naniraka ireo mpiasany ny tompon-trano iray mba hanala ilay dongon-tany (ranon-tany) teo antokon-tany satria handray vahiny izy. Akory ny hagagan’ilay mpiasa fa nahita tongo-jaza izy, ka nilaza avy hatrany tamin’ilay mpampiasa azy. Inona no ao ambadik'itony zava-doza ity? Asa ratsy mifandraika amina sorona? Fanakorontanana fiarahamonina sy Firenena ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-août-2026

tsy nahavaha olana

Card image cap
26-août-2026

fahaverezam-panahintsika!»

Card image cap
26-août-2026

maso sy fisavana ny Minisitera

Card image cap
26-août-2026

Madagasikara hizorana

Card image cap
26-août-2026

120 tapitrisa dolara fa tsy 77

Card image cap
26-août-2026

Nifanekena ny hanatsarana ny tolotra « mobile money »

Card image cap