airtel

Actualités

29-juin-2026

Mitombo ny disadisan-tokantrano

mitera-doza Maorisianina nitetitetika

Sample post image

ny vadiny matin'ny polisy

29-juin-2026

Faty roa no indray niampatra tao Mananara Avaratra afak'omaly 27 jona 2026. Vehivavy iray no maty notetehan'ny vadiny teratany maorisiana tamin'ny antsy ary ity farany indray dia maty notifirin'ny Polisy, rehefa nosamborina saingy nitsoaka.Ity teratany maorisiana ity dia efa malaza ratsy amin'ny famonoana an'ity vadiny ity. Ny 26 jona hifoha 27 jona, sahabo tamin'ny 1 ora maraina, gaga ny manodidina maheno feom-behivavy mitaraina sy miantso vonjy tao amin'ny kartie Tanambao. Tonga ny mpiara-monina na-monjy. Hay ilay teratany maorisiana efa nitetika antsy ny vadiny. Ny lohany sy ny tanana no voa mafy tamin'izany. Niezaka nitondra ilay Vehivavy tany amin'ny hopitaly ihany ny manodidina saingy tsy tana intsony ny ainy. Niroso tamin'ny fikarohana ity maorisiana mpamono vady ity ny Polisy avy ao Mananara Avaratra. Ny sabotsy tamin'ny 10 ora maraina mahery kely, nahazo loharanom-baovao tamin'olona tsara sitrapo momba ny toerana nieren'ity maorisiana ity ny Polisy. Niroso tamin'ny fisamborana ny mpitandro ny filaminana, saingy izy izao maty voatifitra izao rehefa nikasa handositra. Nanaovana fampitandremana ity farany nefa nitsoaka ihany ka voatery nitifitra ny Polisy. Voalaza ho mbola nahitana rongony tany anatin'ny kitapon'ity teratany maorisiana ity. Olona miisa 2 izany no indray maty tao Mananara Avaratra ao noho ny olana ara-panambadiana. Sesilany tato ho ato ny tranga mifandraika amin'ny ady mivady miafara amin'ny faty olona. Vao ny fiandohan'ny volana mey no nisy ilay tranga teny 67Ha nisiana lehilahy maty nianjera avy any amin'ny rihina faha-4 ahiana ho noho ny ady mivady. Vao ny faran'ny heri-nandro teo ilay vehivavy 56 taona namono tamin'ny fomba feno habibiana ny vadiny 51 taona teny Ambohimanambola,... Dia io koa fa fa faty 2 no niampatra tany Mananjary. Ny tatitra ofisialy sy iraisam-pirenena dia mampiseho fa mbola olana lehibe ny herisetra an-tokantrano eto Madagasikara. Araka ny EDS 2021 (Enquête Démographique et de Santé), 41 % amin'ny vehivavy eo anelanelan’ny 15–49 taona no efa niharan’ny herisetra an-tokantrano. Ny fanamafisan'ny Instat sy ny ONG Avahi dia nahita fa hatrany amin’ny 60 % ny vehivavy any Atsimo Andrefana sy Atsimo Atsinanana no voakasika. Ny EDS 2021 dia nanambara fa 5 % ny vehivavy no niharan’ny herisetra nandritra ny fitondrana vohoka.bAraka ny tatitra iraisam-pirenena, ny COVID-19 dia nampitombo ny tahan’ny herisetra an-tokantrano, ka ny UNICEF dia nanasongadina fa 2 amin’ny 5 tovovavy eto Madagasikara no miditra amin’ny fanambadiana alohan’ny 18 taona. Ny UNFPA dia nanamarika fa 13 % amin’ny vehivavy 20–24 taona dia efa nanambady talohan’ny 15 taona. Ny Banky Iraisam-pirenena koa nahita fa ny karaman’ny lehilahy dia 37 % ambony kokoa noho ny an’ny vehivavy, ary 6 amin’ny 10 tsy an’asa dia vehivavy. 50 % amin’ireo niharan'ny herisetra tsy mbola nitady fanampiana na tsy nilaza tamin’olona mihitsy, raha 32% monjano no nanao dingana hanapahana ny herisetra raha ny tatitry ny ONG Avahi. Mbola henjana mazava ho azy ny resaka herisetra an-tokantrano eto Madagasikara, izay matetika ny vehivavy foana no voaresaka ho lasibatra amin'ny ankampobeny.
Toky R
 

Dans la même rubrique