airtel

Actualités

09-févr-2026

Mohamed Razafiberison

«Ny mpandraharaha Gasy

Sample post image

toa an-dry Dayah enjehintsika fa ny vahiny mamotika jerem-potsiny!"

09-févr-2026

Naneho hevitra manodidina ny resabe miparitaka mahakasika mpandraharaha toa an’i Koufali Dayah izay tazana matetika tato ho ato ho tena akaiky na ao anaty Fanjakana i Mohamed Razafiberison. Nahitsy ity farany nilaza fa matetika toa ny mpandraharaha Malagasy ihany no atao maty henjika, fa ny vahiny na manao ny ataony sy mamotika ny Firenena Malagasy aza tsy misy mpiresaka. Mpandraharaha Malagasy I Dayah, mpandraharaha vao misondrotra, kanefa lasibatra tamin’ny fitondrana teo aloha, tsy mbola voatonontonona tamin’ny tsenambaro-panjakana, tsy mbola nanenjika mpandraharaha Malagasy toa azy toy ny nataon’ny teo aloha, mbola tsy voatonontonona tamin’ny ampihimamba,… kanefa io no atao azy, hoy i Mohamed Razafiberison. Raha mahita isika, iza moa ny mpandraharaha tena mambotry ny Firenentsika, iarahana mahita fa mpandraharaha vahiny kanefa tsy misy miresaka. Isika mahita an’ireny mpandraharaha mangalatra tanin’ny vahoaka Malagasy toa Fi….x kanefa isika tsy misy miteny, iza moa izao no mampanofa milina amin’ny Jirama, iza no mamatsy solika izay maka tombotsoa mihoampampana,… Mpandraharaha vahiny daholo izany izay betsaka no manimba ity Firenena ity fa mahagaga tsy mba misy miresaka. Maninona izay mpandraharaha Malagasy vao misondrotra sy miezaka no soketaina sy potehina, hoy hatrany i Mohamed Razafiberison. Na tamin’ny tsenambaro-panjakana aza natao ampihimamba. Betsaka, hoy izy, ny tsy maty voalavo an-kibo manenjika an-dry Koufali Dayah noho ny fahasahiany, ka any amin’ny tambajotran-tserasera izao efa fantatra daholo, olom-bitsy fa mampiasa « compte fake ». Mankahery azy sy ny vady aman-janany, ary mamporisika azy hijoro ho an’ny tombotsoan’ny Firenena.
TSY AHIANA VE NY TSINDRY NA « INFLUENCE » AVY AMIN’NY MPANDRAHARAHA TOA ITONY AMIN’NY FANAPAHAN-KEVITRA ETO AMIN’NY FIRENENA ? TSY ATAHORANA HO RAVATOMANGA BIS ?
« Mety diso ny fiheverena ho toy ny teo aloha ho lasa « Ravatomanga bis ». Amiko, hatreto aloha tsy misy ahiana ny amin’izany ! Tsy tokony hisy izany, ao anatin’ny fanovana isika, ny zavatra tsy nety taloha no ovaina, ka tsy tokony hisy mpandraharaha hanana « influence » amin’ny mpitondra intsony satria efa fanovana isika izao ! », hoy i Mohamed Razafiberison. Tazana miaraka amin’ny Filoha, saingy aza adino, hoy izy, fa ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael sy Koufali Dayah ohatra dia samy lasibatry ny fitondrana teo aloha, samy nigadra tany Tsiafahy, ary mpiray fiaviana, samy nandray anjara feno nampirodana ny fitondrana teo aloha ka lojika raha mifandray fa tsy sanatriavina hoe hanao ny nataon’ny fitondrana teo aloha. Nambarany mihitsy aza fa nanana anjara toerana lehibe nahatongavana amin’izao fanavaozana izao ny fahasahiana sy fijoroan’io mpandraharaha manomboka malaza io. Nifanojo tamin’ny zavatra notadiavin’ny vahoaka sy ny mpandraharaha maro izay lasibatra tamin’ny zavatra nataon’ny mpitondra teo aloha izay nisian’ny sakana sy ampihimamba tamin’ny sehatra maro tamin’ireo mpandraharaha sy mpampiasa vola tokony hamorona asa, hoy i Mohamed Razafiberison.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap