Asa fivelomana iray anisan'ny tena misedra olana efa aman-taonany izao ny asa fakan-tsary. Raha araka ny fanadihadiana natao mantsy dia tsy manjifa amin'izy ireny intsony ny ankamaroan'ny olona hatramin'ny nampahazo vahana ny fampiasana finday teto amintsika. Voatery nitady hevitra nametraka ilay paikady sary vita eo noho eo izy ireny noho izany mba hahazoana vola haingana. Tsy betsaka koa anefa no mahatakatra izany. Manomboka amin'ny 5000 Ar mantsy ny sary iray lehibebe raha misy mahatratra hatrany amin'ny 15.000 Ar ny sasany. Isan-kerinandro ihany sisa vokatr'izany vao mba mitondra vola mody ny mpaka sary. Amin'iny fotoana iny mantsy vao mba misy olona betsaka mitondra ny namany sy ny fianakaviany mitsangatsangana eny Analakely eny, indrindra fa ireo vahiny avy any amin'ny faritra. Toraka izay koa rehefa misy fety aman-danonana ka misy tompon'andraikitm-panjakana maro. Ankoatra ny fampiasana finday dia fantatra fa anisan'ny mampihitsoka ny asa fiveloman'ireo mpaka sary eto an-drenivohitra koa ny fikatonan'ireo zaridaina monisipaly izay tantanan'ny kaominina. Amin'ireny toerana ireny mantsy no mba manararaotra mipetrapetraka sy maka aina ny ankamaroan'ny olona amin'ny atoandro saingy indrisy. Mandritra izany koa no mba hahafahan'ireo mpaka sary miasa sy mandresy lahatra ireo mpanjifany. Nomarihin'ireo mpaka sary moa fa asa tsy mahavelona vady aman-janaka intsony ny asa fakan-tsary eto an-drenivohitra amin'izao.
Pati
Légende : Mitontongana tanteraka ny asana mpaka sary amin'izao !
Mbola mitana ny sain'ny maro ny raharaha