Nisehoana tranga hafahafa tao Vohibao, Ampasina Maningory, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana ny Talata 04 Febroary lasa teo. Ramatoa lehibe iray no fantatra fa tsy niteraka ka namoy ny ainy tamin’io andro io. Zanak’anadahiny iray antsoina hoe : Feno no efa niara-nonina taminy sy nigoka ny tsiron’ny fananany nandritra izany izay fantatra fa nanana iraitampo hafa ihany koa. Ny zanaka vavimatoan’io Feno io no nosafidian’ny maty handova ny fananany rehetra. Nanana vinavina anefa ireo iraitampo amin’i Feno fa hikarakara fasan-drazana izay misy ny rain’izy ireo. Niseho vokatr’izany ny disadisa. Nambaran’i Feno fa nankinin’ireo iraitampo aminy sy ilay zanany mpandova avokoa mantsy ny an-tsasa-manilan’ny fandaniana ka tapa-kevitra ny tsy hanao ilay adidy fanamboarana fasana io izy. Ilay zanany mpandova rahateo notsindriany fa mbola mianatra ka tsy manana fahafahana ny ho amin’izany. Ny Alarobia 05 Febroary teo ary no nambaran’i Feno fa handevenana ilay Ramatoabe tamin’ny fokonolona. Tsy nasitriny tany anaty tany anefa ny razana fa nataony tsara petraka am-body hazo saingy nataony tao anaty vatam-paty kosa, kanefa namoaka fofona eraky ny tanàna. Notaterin’ny manodidina teo anivon’ny Prefektioran’i Fenerivo Atsinanana izany. Tsy maintsy nafindra tany amin'ny fasan-drazana misy ny rain’i Feno ny razana noho izany, araka ny fanapahan-kevitra navoakan'ny Prefektiora, ka tsy nandrasana ela fa notanterahina omaly Alatsinainy 10 Febroary ny fandevenana izay hafatra napetraky ny maty tamin’i Feno zanak’anadahiny rahateo saingy tsy notanterahiny. Ny Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Prefektiora no tonga nijery ity raharaha hafahafa ity.
Pati
Legende : Nandritra ny fandevenana ny maty !
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny