airtel

Actualités

30-oct-2025

Mpandraharaha amin’ny

harena an-kibon’ny tany

Sample post image

Mangataka ny hanenjehana ny mpandroba harena an-kibon’ny tany

30-oct-2025

Miisa 7 tapitrisa amin’izao fotoana izao ny malagasy mivelona amin’ny harena an-kibon’ny tany, hoy ny fampitàm-baovao voaray avy eo anivon’ny sendikan’ny mpandraharaha amin’ny harena an-kibon’ny tany malagasy omaly. Faran’izay mahantra nefa isika, hoy ny fanazavàna. Be dia be ireo harena an-kibon’ny tany mivoaka an-tsokosoko eto Madagasikara. Malagasy no asaina mitrandraka satria araraotina ny fahantrany. Olom-bitsy no mitantana ilay sehatra sy manome ny vola ary misitraka ny vokatra dia voageja ao anatin’izay foana ny mpandraharaha malagasy. Mbola tompony mangataka atiny hatramin’izao ny mpandraharaha, mpikirakira harena an-kibon’ny tany malagasy. Mbola tafajanona anaty fahantrana lalina. Fangatahanay, noho izany, hoy ity sendikà ity, ary hampitaina amin’ny mpitondra fanjakàna, ny hoe raha tiantsika hanana ny lanjany manokana ny mpandraharaha malagasy misehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany dia mila tohanana amin’ny lafiny ara-bola, tekinika, fanaovana lalàna mba halaladalaka kokoa, lafiny maro ny fandraharahana malagasy. Misy ny fanafoanana fahazoan-dalana na «permis» be dia be izay hitanay fa tsy ara-drariny satria ny fitondràna tamin’ny tetezamita no nanomboka nanafoana izany. Tsy afaka niasa ny olona. Tsy afaka nandoa ilay saram-piantohana na «frais d’administration» dia avy nampiharina ilay lalàna tsy mitombina hoe foanana ny «permis». Be dia be ny malagasy potika tamin’izany. Mangataka fanonerana izahay! Fahadisoan’ny fitondràna teo aloha no nahatonga izany. Manahirana koa ny lafiny fomba fiasa. Mavesatra dia mavesatra ny taratasy na «procédure» asain’ny fanjakàna atao. Angatahanay mba ovaina ireny, indrindra, ho an’ireo manao fanafàrana entana satria ireny no mba misy malagasy vitsivitsy mba tokony ho tafavoaka nefa dia voasakana noho izay zava-misy izay. Angatahana ny hanenjehana ny mpandroba harena an-kibon’ny tany. Tsy malagasy madinika ireo. Sady mpanimba tontolo iainana ireo no mpanam-bola izay lasa mafia mihitsy amin’izao fotoana izao no manjakazaka amin’ilay sehatra, hoy hatrany ny fanazavàna.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-août-2026

tsy nahavaha olana

Card image cap
26-août-2026

fahaverezam-panahintsika!»

Card image cap
26-août-2026

maso sy fisavana ny Minisitera

Card image cap
26-août-2026

Madagasikara hizorana

Card image cap
26-août-2026

120 tapitrisa dolara fa tsy 77

Card image cap
26-août-2026

Nifanekena ny hanatsarana ny tolotra « mobile money »

Card image cap