ny alin’ny Sabotsy 01 Febroary teo ka nahafaty Renim-pianakaviana mananontena iray 27 taona niaraka tamin’ny zanany vavy kely vao 18 volana. Tao ireo nilaza fa nampiasa labozia izy mianaka ka resin-tory ary dia nihitatra ny afo. Tao amin’izy ireo mantsy no niainga izany raha tsiahivina. Tao ihany koa ireo niteny fa nampiasa jiro solitany izy ireo….Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no tena hanamarina izany. Tsiahivina moa fa ny fokonolona no namoaka azy mianaka ireto tao an-tokantranony. Efa maty anefa ilay Renim-pianakaviana raha mbola nialana nenina kosa ilay zanany saingy tsy tana ihany koa ny ainy ny ampitson’iny izany hoe : ny Alahady 02 Febroary lasa teo. Efa nalevina tamin’ny Alatsinainy lasa teo izy mianaka kely raha mbola mitohy kosa ny fanadihadiana mikasika ity tranga mampalahelo ity.
Pati
Legende : Kila forehitra tahaka izao ny tokantranon’izy mianakakely !
Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"