Didim-panjakana mantsy ilay 626-2022, hoy ny sekretera jeneraly, Barson Rakotomanga. Io no nilaza hoe karama farany ambany fa ilay didim-pitondrana indray niteny hoe amin’ity taona ity ihany. Niova ny nitondran’ny mpampiasa an’iny izao rehefa takian’ny mpiasa eny amin’ny toeram-piasany ny fampiharana azy. Nozarainy roa ilay izy. Ny karama fototra na “salaire de base’’ natokany ho 217.000 Ariary. Ilay 33.000 Ariary kosa nataony ery ambany ery hoe « subvention ». Tsy narahan’ilay mpampiasa izany ilay didim-pitondrana fa nataony amin’izay mampety ny fanazavany. Rehefa nifampiresaka moa izahay dia hoe manjary rehefa amin’ny janoary raha ohatra ahena ilay karama 250.000 dia diso izy satria mandika ny andininy faha 11 amin’ny fehezan-dalanan’ny asa. Nampiadian’ny fanjakana izany izao ny mpiasa sy sendika ary mpampiasa. Izany no mbola mampisy orinasa maromaro miziriziry tsy hampiakatra karama. Tsy manara-dalana iny lalana navoaka iny ary izay no tena olana. Tsy mazava amin’ny mpampiasa ilay hoe “subvention” na fanampiana. Ilay izy tsinona tsy fanampiana akory fa hoe ho atao lentsin-trosa ary amin’ny resaka volan’ny mpampiasa. Mbola tsy nisy izany teto Madagasikara ary tsy matoky ny fanjakana ny mpampiasa. Na ireo mpitsirika asa aza misy miteny fa sanganehana ao anatin’io. Izahay moa izany tsy maintsy manao fitakiana foibe eny anivon’ny orinasa mba tsy hisian’ny hoe fitokonana tsy ara-dalana rehefa mitroatra ny mpiasa. 250.000 Ariary no lalana. Mbola tantara hafa koa ilay resaka “rappel” satria mbola samy manana ny fanaovany azy hoe ho zarazaraina sa tonga dia miaraka omena? Raha vao betsaka tsinona ny karama dia betsaka koa ny hetra. IGR eo no resaka. Ny olana dia ny lalana mihitsy no lasa nampiadiana ny sendika sy mpiasa amin’ny mpampiasa ka ahiana ny hisian’ny fikorontanana ho amin’ny hoavin’ny tontolon’ny asa malagasy, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,
Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny
Hitombo ary hihatsara ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra eo anivon’ny
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taona nijoroany ny
Misy ny didim-pitsaràna mikasika ny fifanolanana ara-tany eo amin’ny orinasa
An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.