airtel

Actualités

18-mars-2026

MPIASAN'NY JIRAMA SANDOKA

Tratra teny Ambohidrapeto

Sample post image

ny mpangorona compteur

18-mars-2026

Lehilahy iray mpisandoka ho mpiasan'ny JIRAMA no fantatra fa mitety tokantrano an-tampon'Ambohidrapeto, distrikan'Atsimondrano, efa ho andro maromaro izao. Lazainy fa tsy ara-dalàna avokoa ny kaontera misy branchement- mora amin'ireo trano nidirany izay paikady namboariny mba hangalarany ilay kaontera. Nambarany fa kaontera mangalatra ny tao amina tokantrano iray farany nidirany, ka nongotany hoy ny vaovao azo. Tsikaritra anefa fa mpisandoka ity tovolahy ity ka niray hina ny fokonolona nisambotra azy. Naterina teny amin'ny biraon'ny zandarimaria izy hatao famotorana. Mila mpitandrina araka izany isika mponina eny Atsimondrano eny manoloana ity tranga ity.
Nangonin'i Pati
Légende : Ity ilay ranamana !
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap