airtel

Actualités

25-avril-2023

Actualités

Mpihary herinaratra amin’ny masoandro 38 Mbola eo am-pitadiavana izay hangana azy

Sample post image

Ao anatin’ny fitadiavana izay hanangana ny toby mandeha amin’ny herinan’ny masoandro miisa 38 ny Fanjakana amin’izao fotoana izao.

25-avril-2023

Nandritra ny filankevitry ny minisitra voalohan’izao governemanta amin’ny endriny vaovao izao no nilazan’ny Minisitra Solo Andriamanampisoa fa tokony hiasa amin’ny volana aogositra amin’ity taona ity ireo toby mpamokatra 36 mandeha amin’ny herin’ny masoandro, izay hamokatra 50Mégawatts eo, hanampiana ny famokaran’ny Jirama. Ny volana martsa 2023 teo no naneho ny fisian’ny antso tolo-bidy amin’ny tsenam-panjakana hoenti-manangana an’ireo ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison. Zava-dehibe izany, ary efa hatry ny ela i Madagasikara no niroso sy nampiroborobo ny angovo azo havaozina satria tena ananantsika ny masoandro sy ny hazavana, eny fa na ny rivotra aza tokony hotrandrahana. Na izany aza heverina fa isan’ny mampisalasala ny mpandraharaha sy ny mpampiasa vola ity Fanjakana ankehitriny ity izay malaza ho mpitsipaka sy tsy mahaloa volan’olona, raha tarafina amin’ny raharaha tsy fandoavam-bolan’ny orinasa mpanao làlana. Hafa indray raha toa ka ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy amin’ny fanatanterahana ny tetikasa no mandoa sy mamoaka ny vola.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2025

Manamafy ny Fiadidian’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra tarihin-dRtoa Harilala Ramanantsoa

Card image cap
18-avril-2025

Mbola somary lavitra i Madagasikara amin’ny fampanajana ny zon’olombelona raha

Card image cap
18-avril-2025

Nahatratra 971,7 miliara Ariary ny vola nampidirin’ny Fadin-tseranana Malagasy

Card image cap
18-avril-2025

Paska hieren-doza, io no tanjon’ny sampandraharaha misahana ny fitaterana

Card image cap
18-avril-2025

Hanomboka anio Zoma 18 Aprily ny lanonambe hiatrehana ny Fetin’ny Paska 2025

Card image cap
17-avril-2025

Hisy fifantenana « légionnaire » avy amin’ny firenena toa antsika ?

Card image cap