airtel

Actualités

13-mai-2025

Mpitsara sy ny Fitsarana atao saribakoly

Hitsipaka ireo mpitondra sy mpanambola be kolikoly amin’izay?

Sample post image

Andao harenina ity fitsarana ity. Sahia miteny isan’andro amin’ny havanareo: fahotana ny kolikoly .

13-mai-2025

Tsy rariny, tsy hitsiny. Tsy kolikoly ny mamindra fo fa fahalemena ny manaiky izany.”, hoy ny Minisitry ny Fitsarana Rakotomandimby Benjamin Alexis nampaneno lakolosy manoloana ny tsy fitokisan’ny vahoaka ny Fitsarana. Nanindry mafy ny Minisitra fa ilaina ny fanarenana ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny rafitra ara-pitsarana. “Tena mahavaky fo, mahamenatra, rehefa lazain’ny olona hoe ‘fitsaram-bahoaka’ no hany vahaolana satria fantany fa raha tonga eny amin’ny fitsarana, dia LP (liberté provisoire) fotsiny, na "contrôle judiciaire". Tsy tokony hisy izany !”, hoy izy. Tsy nisalasala ny minisitra nilaza fa raha hatao fifidianana, dia mety ho lany amin’ny vato be ny sazy toy ny “maso solon’ny maso, nify solon’ny nify”, satria very fanantenana amin’ny fitsarana ny vahoaka. “Ho ahy, "conviction personnelle" io: mandefa any amin’ny helo ny kolikoly. Sao tsy tonga akory ny Alahady izay nolazainao fa hibebahanao.”, hoy ny fampisaintsainana nataon'ingahy Minisitra. Nivoaka tao anatin’ny lahateny ihany koa ny antony nanafoanany ny fonja manokana Maputo tao Antanimora, toerana nisy zava-manitra, Canal+, frigidaire ary toerana fanaovana fanatanjahantena. “Nisy droit d’entrée 10 tapitrisa ariary. Tsy rariny izany. Aleo mitovy ny fepetra iainan’ny gadra rehetra.”, hoy ny Minisitry ny Fitsarana. Omaly 12 mey, nasiany resaka manokana ny Fifaninana hidirana ho mpiraki-draharaha sy ny fifaninana ho mpitsara amin’ny taona ho avy, ka nilazany fa miasa amin’ny fahamarinana tanteraka ny mpitsara rehetra hitsara ny fanadinana. Tsy manana « QUOTA » manokana ny Minisitry Ny Fitsarana amin’izay fanadinan-panjakana rehetra hidirana ho fianakaviambe ny Fitsarana ; ary nanamarika izy fa tsy maintsy arahina ny fitovian’ny mpiadina rehetra. Ny herinandro teo, nandrisika ny Ray aman-dReny ny tenany hampianatra ny zanany ny fahamarinana sy hanabe azy hialana amin’ny kolikoly ity Minisitra ity izay nanehoany fa mitaky herim-po, ary mety tsy ho tian’ny olona ianao amin’izany, hoy izy.
TENA HO SAHY HANOHITRA NY FITSABAHAN'NY MPITONDRA SY NY MPANAM-BOLA?
Zava-dehibe ny fanambarana nataon'ny Minisitra, ny fahasahiana miaiky sy manatsikafona ny tsy mety, ny fanentanana ny mpitsara hijoro handresy ny kolikoly,... Saingy! Iza no tsy mahalala sy tsy mahita fa misy mpitondra, olona na vondron'olona manana tanjaka ara-toekarena miezaka mifehy ny tontolon'ny Fitsarana ? Izy no tsy mahatsapa fa tsy misy ny fisaraham-pafehafana na "séparation des pouvoirs" amin'ny fifampitsabahana sy baiko mahazo ny fitsarana toy ny resaka politika, toekarena,...? Firifiry ny filalaovana ny fitsarana teto nentina namotsiana sy niarovana ny mpitondra mpandika lalàna ? Na ny ao anaty Fitsarana aza betsaka no miaiky izany. Fotoana izao hitsanganan’ny fitsarana sy ny Malagasy rehetra hanohitra ny kolikoly. Andrasana izany ny vokatra taorian'ny fanambarana !
Toky R
 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

Aza atao takalon'aina ny mpanao asa-tanana, hoy ny solombavambahoaka, Sophie Ratsiraka

Card image cap
20-juin-2025

Olona miisa 3 no maty tao Mahajanga, 4 nanaraka fitsaboana teny amin’ny hopitaly, rehefa

Card image cap
20-juin-2025

Nanao taratasy fanakanana ireo raiamandrenibe ao amin’ny Faritra Fitovinany fa

Card image cap
20-juin-2025

Nisantaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny resaka nataony tamin’ny TVM omaly

Card image cap
20-juin-2025

Amin’ny maha-kaominina ambanivohitra an’i Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo

Card image cap
20-juin-2025

Malagasy mifamosavy, mifamotika, mifanambaka, ireo amin’ny ankapobeny

Card image cap