airtel

Actualités

12-juin-2026

MPIZAHANTANY VAHINY

Manodidina ny 330.000

Sample post image

tato anatin'ny 5 volana lasa

12-juin-2026

Hanaovana ezaka goavambe ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany eto amintsika amin'ity taona 2026 ity raha araka ny fanazavan'ny Ministry ny fizahantany sy ny asa tanana Lilie Rafaralahy. Nanodidina ny 330.000 isa mantsy izany tamin'ny dimy volana lasa, fizahantany izay nomarihiny fa hahafahana mampandroso an'i Madagasikara haingana miaraka amin'ny asa tanana ary tsy azo sarahina. Antony hanatanterahana ilay hetsika International Tourisme Fair de Madagascar andiany faha-12 eny amin'ny efitrano fandraisana fivoriana eny Ivato izany nanomboka omaly Alakamisy 11 Jona haharitra 4 andro. Mpitsidika manodidina ny 30.000 isa no andrasana hijery ny hakanton'ireo asa tanana Malagasy sy ny tontolony manerana ny Nosy. Toraka izany koa ireo toerana manan-tantara eto an-drenivohitra sy any amin'ny faritra ary ny trano fandraisam-bahiny... Tsy latsa-danja amin'ireo ireo orinasa misehatra amin'ny fikarakarana ny zotram-piaramanidina izay mivondrona amina trano eva hatrany amin'ny 430 isa. Tonga nanokatra ny hetsika ny Ministry ny fizahantany sy ny mpanolontsaina avon'ny Filohan'ny Repoblikan'ny fanavaozana ny jeneraly Rabearimanana.
Pati
Légende : Antony iray hanaovana ny hetsika ITM ny hisarihana mpizahantany vahiny ho avy eto Madagasikara !
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Amperin'asa ny Delegasiona

Card image cap
07-août-2026

amin'ny ady amin'ny kolikoly

Card image cap
07-août-2026

Misokatra ny làlana ho an’i Madagasikara sy Afrika Atsimo

Card image cap
07-août-2026

Hojerena ny fomba hampandehanana azy

Card image cap
06-août-2026

Lafin-javatra iray heverina fa manahirana na

Card image cap