airtel

Actualités

29-nov-2021

Actualités

Nahomby ny fandatsahana orana Hivaha ve ny olan’ny delestazy lavareny ?

Sample post image

Ny tsapa dia miha mafy isan-kerinandro ilay delestazy...tany amin'ny roa volana lasa mody 5 minitra na maty mirehitra isa-minitra, avy eo lasa 10 minitra amin'ny hariva,...

29-nov-2021

 lasa 30 minitra, lasa misy vao maraina ihany koa. Iny fa nisy ihany koa amin'ny 11 ka hatramin'ny 12 ora sy sasany atoandro, lasa 1 ora ny hariva. Tamin'iny herinandro ity nivalona iny: talata, alarobia, alakamisy, zom tena henjana nisy efa ho 3 ora. Ny tety amin’ny faritra Itaosy manokana nisy maty tamin'ny 11 ora alina, tsy niverina raha tsy tamin'ny 3 ora maraina,... Ny herinandro lasa teo, nilaza ny Jirama fa mihena 60% ny famokarana angovo noho ny tsy fahampian’ny rano manosika ireo milina mpamokatra herinaratra. Fa moa ve ny faktiora miova? Moa ve ny mpanjifa izay lasibatra hatrany hatrany afaka miteny hoe: aleo ny 60% amin’ny fandaniana aloha no mba alohanay noho ny fatiantoka. Maro ireo indostria madinika, ireo seha-pihariana mila herinaratra toy ny poissonnerie, cybercafé,… no mitaraina. Maro ihany koa ny tanàna mijaly rano. Ireny niaraha-nahita ireny ny filanjana sora-baventy toy ny teny Itaosy, izay efa tena misy miendrika teny ratsy nohafohezina mihitsy. Toy izany ihany koa ny mponina tetsy Ambatomaro.
HIVAHA VE NY OLANA ?
Nanambara ny Minisiteran'ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, fa tontosa soa aman-tsara ny paikady fandatsahana orana teto Antananarivo sy ny manodidina izay nokarakarain'ny Minisiteran'ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, ny Météo Madagasikara ary ny JIRAMA. Ny toerana voakasika tamin'ity fandatsahana orana ity moa dia ny manodidina an’i Vontovorona, Mandroseza, Mamamba (Sabotsy Namehana). Ho an’ny faritra ivelan’Antananarivo kosa dia Andekaleka, Tsiazompaniry ary Mantasoa no nanatanterahana ny fandatsahana. Amin'izao fotoana izao dia efa miverina miasa avokoa ireo toeram-panodinana herinaratra 12 ao amin'ny JIRAMA raha toa ka 4 fotsiny no afaka niasa talohan'ny fandatsahana orana. Marihina fa na "pluie provoquée" aza dia tena misy kotroka tsara mihitsy, hoy ny fanambarana. Irariana mba ho voafehy amin’izay ny fahatapahana mampikolay.
Toky R
 

Dans la même rubrique

08-mai-2024

ny fifidianana solombavambahoaka isika manomboka anio.

Card image cap
08-mai-2024

Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera omaly ny horonantsary sy resaka naneho raim-pianankaviana antsoina hoe R….

Card image cap
08-mai-2024

Olona am-polony no naiditra am-ponja vonjimaika any Maroantsetra noho ny resaka lavanila,

Card image cap
08-mai-2024

Nahazo vahana tato ho ato ireo olona na andian'olona mampiasa kaonty sandoka (compte fake)

Card image cap
08-mai-2024

Iray volana mahery eo ho eo sisa dia hiditra tanteraka ao anatin’ny vakansy

Card image cap
08-mai-2024

Sambo Sri-lankais miisa roa no fantatra fa nanjono an-tsokosoko taty amin’ny

Card image cap