fitsarana Fanirisoa Ernaivo nandritra ny fandaharana manokana nataony ny faranparan’ny herinandro teo : efa misokatra ny fanadihadiana mahakasika an’Atoa Naina Andriantsitohaina, ben’ny tananan’Antananarivo teo aloha no sady efa minisitry ny fitsinjaram-pahefana ihany koa ary anisan’ireo olona fantatra fa tena akaiky an’i Andry Rajoelina toa an’i Mamy Ravatomanga.Ny momba ny CNaPS sy ny raharaha SMGD no maha voatonontonona ny anarany, resaka vola ary tena vola be izany, voaresaka an-taonany maro, nahazoana fitarainana sy fanehoan-kevitra maro samihafa saingy anisan’ireo olona nosokajiana hoe « Deba » tsy voakitikitika teto i Naina Andriantsitohaina izay manana ny maha izy azy ihany koa eo amin’ny sehatry ny fandraharahana satria manana orinasa tsy latsaky ny 50 eto an-toerana sy any ivelany.
7 MILIARA ARIARY MBOLA TSY TAFAVERINA
Raha iverenana kely ny tantara dia nindrana vola mitentina 11 miliara ariary tany amin’ny CNaPS ny SMGD na Société Municipale de Gestion Digitale ny faran’ny volana jolay 2021. NIfanarahana tamin’izany fa 60 no fe-potoanana hamerenana ny trosa ka tataovana zanabola 7%. Raha ny nambaran’ny tale jeneralin’ny CNaPS ny 5 novambra 2025 lasa teo anefa dia ny 5,8 miliara ariary ihany no tafaverin’ny SMGD hatramin’ny 8 aprily 2024, ary tsy nisy intsony ny fandoavam-bola taorian’io daty io. Mila averina amin’ny CNaPS ny 7 miliara ariary ambim-bola hoy ny tale jeneralin’ny CNaPS. Efa lasa eny anivon’ny fitsarana ny raharaha saingy tsy raikitra ny fihainoana ny SMGD izay tokony natao ny 22 oktobra 2025 noho ny toe-draharaha nisy teto amin’ny firenena moa. Niaiky io zava-misy io ny tale jeneralin’ny SMGD ary nilaza fa nihena ny fidiram-bola no tsy nahafahana nandoa ny volan’ny CNaPS intsony. Tsara ho marihina fa nandritra ny naha ben’ny tanàna an’i Naina Andriantsitohaina (2020-2024) no nitrangan’ity raharaha ity.
Nangonin’i RTT