airtel

Actualités

19-mars-2024

Nanakan-dàlana indray ny mpiasan’ny SMA

«Mijaly izahay, maty hatramin’ny namanay ! »

Sample post image

Nanamafy ny fitakiany, ary nilaza fa tsy mahatoky ny PDS ny mpiasan’ny SMA (Société Municipale d’Hygiène)

19-mars-2024

satria efa niteny ity farany fa amin’ny 7 marsa ny karama, kanefa tsy nisy, hoy izy ireo. Hatramin’ny anio talata moa farafahatarany no handoavana izany, raha ny nambaran’ny PDS Ramanambitana Richard ny zoma lasa teo. Na teo aza ny fampanantenana, niroso tamin’ny fanakanan-dàlana tamin’ny daban-jaoridira indray ireo mpiasan’ny SMA omaly tetsy Nanisana. Voatery niditra an-tsehatra nanala izany ny polisy monisipaly. Nambaran’ireo mpiasa fa mpiasa iray ihany koa no namoy ny ainy vokatry ny tebitebin-tsaina sy adim-piainana ary ny fahasahiranana. Notorian’ny orinasa Jovena ihany koa ny SMA noho ny trosa tsy voaloa, ka manana vola handoavana an’izany kanefa ny mpiasa ampijaliana, hoy hatrany izy ireo. «Ny PDS no niteny fa 72 ora mandra-pahavin’ny talata, ka izahay dia ohatrany mino tsy mino ny teniny efa tamin’ny 7 martsa no efa nambara tokony handoavana azy satria efa leo lainga sy fitaka izahay. Na ny banky aza efa tsy hitan’ny mpiasa intsony izay hamaliana azy ho an’ireo nindram-bola satria tsy fantatra intsony ny tena hivoahan’ny karama. Raha mbola hitarazako io dia mety hiitatra zavatra hafa satria tsy ho voafehy ny fihetsem-pon’ny mpiasa », Rafanomezantsoa Jean-Baptiste delegen’ny mpiasa anatin’ny FISEMARE. 800 eo moa ny mpiasa no mbola tsy nisitraka karama. Manamafy ny fitakiana ny famoahana ny karama haingana dia haingana noho izany ireo mpiasa. « Misy mpiasa namoy ny ainy ihany koa ny alahady lasa teo noho ny fiasan-tsaina tamin’ny resaka karama satria narary ny anabaviny kanefa tsy mba nisy azony natao. Miantra aman’aina izy ity satria efa ny aina no hafoy amin’ilay karama tara ! Any an-trano izahay vesaran’ny hofan-trano sy kapoaka mangidy satria lafo ihany koa ny kapoakan’ny vary. Aty am-piasana izahay, mizionga ny tsy fandraisan-karama sy ny tsy fihainoan’ny mpampiasa », hoy hatrany Rafanomezantsoa Jean-Baptiste. Hatramin’ny nitondran’ny SMA tao anatin’ny 3 taona dia niha sahirana, natao in-droa mandoa ny karama 250000AR. Misy fiara mbola mandeha izay fenoin-dry zareo amin’ny tractopelle amin’ny alina. Mbola tsy nanohana an’ireny izahay, ary tsy gafy no ataonay fa fitakiana valin-katsembohana. Rehefa tena mihirihiry sy minia mandefa an’ireny anefa ny mpampiasa dia mieritreritra izahay fa sao tokony hakatona amin’izay fandehan-draharaha rehefa tsy hamaha olana, hoy izy ireo. Momba ireo mpiasa nosamborina, dia efa nivoaka ireo 3 nosamborin’ny zandary, ary mbola mifamahofaho kosa ny mikasika ireo ny iray nosamborin’ny polisin’ny FIP, hoy ireo mpiasa omaly.
Toky R

 

 

 

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap