indray no notendrena nandritra ny filankevitry ny Minisitra ny talata 19 mey 2026 teo, manampy ireo andiany hafa notendrena tao anatin'izao Fitondrana fanavaozana izao. Misongadina ny fanendrena an'i Ny Hasina Andriamanjato izay voatendry ho ambasadaoro any amin’ny Federasiona Rosianina. Izy dia efa minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, efa minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny Fifandraisan-davitra, ary koa PDS teo aloha teo aloha teo anivon'ny kaominina Antananarivo. Tsy vahiny amin’ny Rosianina, satria zanak’i Pasteur Richard Andriamanjato izay nifandray akaiky tamin’ny sosialista fahiny, sady nandranto fianarana ambony tany amin’ny Firaisana Sovietika taloha i Ny Hasina Andriamanjato. Anisan’ny nahazo fankasitrahana avy amin’ny Akademia Rosiana mifandray amin’ny anaran’ilay kosmonôty malaza Youri Gagarine tamin’ny taona 1994. Tany Moscou, niakatra tao amin’ny Oniversite Lomonossov, nandritra ny vanim-potoanan’ny Firaisana Sovietika, ka nifantoka tamin’ny taranja fizika sy matematika. Ny fiverenany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia heverina fa hanampy amin’ny fanamafisana ny fifandraisana ara-diplomatika sy ara-toekarena eo amin’i Madagasikara sy i Rosia. Ara-politika, isan'ireo ekipa sy tanan-kavanan'ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina izy niainga tany amin'ny 2009, saingy heverina izany fa noho ny maha isan'ireo olona novolavolain'ny Rosianina sy heverina fa afaka hametraka diplaomasia sy fifandraisana mafy orina eo amin’ny roa tonta no nametrahana azy. Izy izay efa tazana tao anatin’ny delegasionona nandritra ny dian’ny Filoham-panjakana Malagasy tany Rosie ny volana febroary teo. Anisan'ireo olona heverina sy voasokajy ho tsy azo hihodivirana raha vao miresaka fifandraisan'i Madagasikara amin'i Russie.
AMBASADAORO 8 TAO ANATIN’NY 7 VOLANA
Ramatoa Lanto Rahajarizafy kosa no voatendry ho solontena maharitr’i Madagasikara eo anivon’ny Firenena Mikambana any New York. Talohan’izao dia efa niandraikitra ny toeran’ny tale jeneraly misahana ny fandrindrana ny fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana tao amin’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny izy. Ny traikefany lalina amin’ny sehatry ny fifandraisana iraisam-pirenena no heverina fa entiny hanamafisana ny feon’i Madagasikara eo amin’ny sehatra maneran-tany. Alain Manajary Razafimbelo indray kosa no voatendry ho ambasadaoro any amin’ny Repoblika Federaly Alemana. Izy dia injeniera ary efa minisitry ny Asa Vaventy teo aloha. Ny andraikiny vaovao dia hifantoka amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ny fifandraisana ara-diplomatika amin’i Berlin. Efa ambasadaoro tany Allemagne teo aloha ny tenany no voatendry indray amin'izany toerana izany. Ny fanendrena ireo ambasadaoro vaovao ireo dia maneho ny finiavan’ny fitondrana hanamafy ny fanamafisana ny fifandraisana Iraisam-pirenena ka saika efa nanendrena toerana sy Firenena heverina fa stratejika ho antsika satria ny 28 aprily no nanendrena ambasadaoro 5: Michel Rabemahefa ( Frantsa); Calixte Randriamiandrisoa (Suisse sady Solontena maharitra eo anivon’ny Firenena Mikambana); Auguste Paraina (Ethiopie sady Solontena maharitra eo anivon’ny Vondrona Afrikanina sy ny Vaomiera ara-toekaren’ny Firenena Mikambana ho an’i Afrika); Joahary Ratovondrahona (Maroc); Toavina Ralambomahay (Afrika Atsimo). Ambasadaoro 8 eo izany no voatendry tao anatin'ny 7 volana, raha tsy nahavita nanendry afatsy 5 ny Fitondrana Rajoelina tao anatin'ny 7 taona, ary mbola nihena ho 4 aza taty aoriana. Irariana mba tena hitondra vokatra ho an'i Madagasikara ao anatin'ny fiaraha-miasan'ny samy Firenena na Vondrona Iraisam-pirenena, mba hamafa ilay hoe mandany vola na "budgetivore" fotsiny.
Toky R