airtel

Actualités

21-juil-2025

Niditra an-tsehatra ny Minisitry ny Fitsarana

Nentina teny Fiadanana ny renin’i Fenohasina…

Sample post image

niditra an-tsehatra na nampidirina an-tsehatra amin'ny raharaha

21-juil-2025

Ambohimalaza ny Minisitry ny Fitsarana Atoa Rakotomandimby Benjamin. Nitondra ny teny fampiononana ho an'ireo fianankaviana mana-manjo sy mampahery ireo marary an-dalam-pahasitranana satria ny Hopitaly dia natao ho fanasitranana fa tsy hiandrasana fahafatesana, hoy izy. Nambara fa mitohy ny fanadihadiana eo anivon'ny Fitsarana, ary miara-miasa amin'izay ny Fitsarana sy ireo sampan-draharaha hafa izay manao fanadihadiana ny raharaha. Atsy ho atsy dia hanaovana fanadihadiana ihany koa ny tompom-pety sy ireo fianakaviany satria dia nisy nametraka fitoriana azy ireo. Nilaza ity Minisitra ity fa tsy manana olona arovana na iray aza amin'ity raharaha ity ny Fitondram-panjakana. Nanambara ihany koa io mpikamban'ny governemanta io fa nanome toromarika ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga voalohany eto Antananarivo fa izay rehetra tokony hantsoina dia hantsoina hanaovana fanadihadiana. Toromarika faharoa ny fanafaingana ny fanadihadiana ka hirosoana amin'ny Fitsarana ady heloka bevava, ary raha azo atao dia hiantsoana mpanao gazety izany fa ny Fitsarana moa tahaka ny heloka bevava dia azon'ny besinimaro hatrehina rahateo, hoy io Minisitra io. Raha ny vaovao vonjimaika omaly takariva, raikitra omaly alahady ny fakana am-bavany ireo olona hafa sy ireo voatazona vonjimaika, ka anisan’ny tazonina ao amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava ny renin’i Fenohasina, ilay tompom-pety. Fa maninona no izao vao misy an’izany ?

TSY VOAFAFA NY AHIAHY FANODINKODINANA SAIM-BAHOAKA…
Zava-dehibe ny fanehoana fa mandray andraikitra ny fitondram-panjakana, manome toromarika hanafainganana ny raharaha. Na izany aza, mbola betsaka ny zavatra mifamahofaho sy ny adihevitra manodidina ity toe-draharaha ity. Mbola hevi-dehibe mifanipaka ny filazan'ny Fanjakana fa fanapoizinana niniana natao na "empoisonnement" sy ny hoe: fahapoizinana ara-tsakafo na "intoxication alimentaire". Misy tranga mitovitovy (Antananarivo, Ambositra, Mahajanga) saingy samihafa ny tranga na samy namono olona haingana be aza. Mitazona hatrany an'ilay hoe fianakaviana nifanapoizina noho ny lonilony ny Fanjakana amin'ny raharaha Ambohimalaza, raha misy ny fanahiana hafa ihany koa ivelan'izany fa aretina vokatry ny olana ara-tsakafo. Isan'ny nanaitra ny filazan'ny Minisitry ny Fitsarana iray volana mahery aty aoriana fa tsy misy olona arovana manokana. Betsaka kosa ny mametra-panontaniana na izany aza hoe: toy ny mikasika ny tompom-pety izay nafindra sy tsy nahazoan'ny havan'ny marary hafa vaovao intsony rehefa nisy naka sary tao amin'ny hopitaly. Fiarovana ny ainy sa antony hafa? Tsapa ihany koa ny fihazakazahan'ny fandraisana andraikitra rehefa nitory ny Minisitra iray izay nisy nanonona ho "Papa sôsy" ka niakaran'ny mpitondra fivavahana iray fampanoavana sy nialany tsiny ampahibemaso. Andaniny, Velon-taraina ireo fianakaviana manana marary sy namoy havana izay mbola mitaky ny mangarahara sy hamoahana ny tena marina saingy tsy mahazo valiny mazava.
Toky R
 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap
29-avril-2026

Nobatain'ireo mpino Silamo nivoaka ny sekoly Jery ny Filohan'ny FSM

Card image cap
29-avril-2026

Nanaovana hetsika manokana ny tany Maintirano

Card image cap
29-avril-2026

Adihevitra tato ho ato ny

Card image cap
29-avril-2026

Hampiharina amin’ity taona ity ny tetikasa «Rahaka»

Card image cap