fanantenana vaovao satria adino hatrizay ! »
Nitoi-doha any Atsimon’ny Nosy indray ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael. Omaly, nanokana ofisialy ny asa fanamboarana ny RN13 mamakivaky ny tanànan’i Betroka, mirefy 6 km manomboka eo amin’ny radier PK118 ka hatreny amin’ny tetezana Mangoky PK124. Fiaraha-miasa amin’ny QMM sy ny Fitondram-panjakana no nahafahana nanomboka, ary ny Colas no hiandraikitra ny asa. Nambaran’ny Filohan’ny Fanavaozana fa tsy maintsy ho tanteraka ny fanamboarana ny RN13 manontolo mampitohy an’i Ihosy sy Ambovombe, na ho ela na ho haingana. Ankoatra ny lalana, hatomboka tsy ho ela ny fanamboarana ny Lapan’ny Tanàna sy ny famatsiana rano fisotro madio amin’ny alalan’ny tetikasa PAAEP vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena. Nankany Isoanala ihany koa ny Filoham-panjakana sy ny delegasiona, nitokana tohodrano miisa 7 hahafahana manondraka tanimbary mirefy 2 026 sy 766 hektara, ka hahazo tombontsoa tantsaha mihoatra ny 1 730, araka ny tatitra ofisialy. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Mionjo ireo asa ireo, ka mpamokatra sy tantsaha mihoatra ny 4 800 no hisitraka mivantana. Nisy ny fanomezana fitaovana ho an’ny tantsaha: ragiragy 169, angadin’omby 18, fanondrahana 317, ary famafazana fanafody 122. Vinavinaina hahatratra 6 844 taonina ny vokatra vary fanampiny, raha ny fanamby. Nandritra izany koa moa no nanolorana kara-tany 2 500 ho an’ny mpisitraka. Nampanantena ny Filoham-panjakana fa hisy famatsiana herinaratra sy fametrahana toby miaramila ao Isoanala hanamafisana ny filaminana. Naneho fa manga ny lanitra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka. Ny Banky Iraisam-pirenena, hoy ny Filohan’ny Fanavaozana, dia mpanohana mahafatra-po ny Fanjakana Malagasy satria nanampy ihany koa tamin’ny fanaovana ny RN10. Nampanantena izy fa hanampy amin’ny famatsiana herinaratra sy fanohanana ny tantsaha amin’ny alalan’ny SRA na “Système de Riziculture Améliorée”. Dingana lehibe no vita androany, hoy ny Kolonely Randrianirina Michael, satria manome fanantenana vaovao ho an’ny faritra atsimo izay hadino nandritra ny taona maro.
Toky R
Mbola mitana ny sain'ny maro ny raharaha