airtel

Actualités

13-janv-2026

NOSY VARIKA

Raim-pianakaviana iray maty nanaton-tena

Sample post image

Raim-pianakaviana. iray vao 22 taona

13-janv-2026

monja no fantatra fa hita faty nananton-tena tao an-tokantranony omaly alatsinainy 12 Janoary tao amin’ny fokontany Tanambao V distrikan’i Nosy Varika. Raha ny loharanom-baovao azo dia ny rafozany izay nikarakara sakafo atoandro no naniraka ankizy haka lovia tao an-tranony. Io ankizy iraka io no nahita ilay lehilahy efa nihantona ka nampandre ilay rafozany sy ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny tao an-tanana. Natao ny fizahana ny razana taorian'izany niarahana tamin'ny dokotera ka natolotra ny fianakaviana ny razana. Fantatra moa fa avy any Bebozaka no fiavian’Itompokolahy, saingy miasa any Andaka izy. Mpanampy an-trano amina mpandraharaha iray ao Nosy Varika izy fony fahavelony. Tsy mbola fantatra mazava moa ny antony nanosika azy hamono tena tahaka izao. Ny hany vaovao fantatra dia tombanana ho manana olana ara-pitiavana izy. Nangonin'i Pati
Légende : Nitangoronan'ny olona tahaka izao ilay razana !
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap