airtel

Actualités

02-janv-2025

Olan'ny rano sy jiro

Mbola mila miaritra kely ihany aloha.

Sample post image

Manodidina my 60 000 MW isan'andro no tsy ampy amin'ny vokatra herinaratra ho an'Antananarivo sy ny manodidina

02-janv-2025

ka izay no anton'ny delestazy efa ho adin'ny 8 isan'andro. Eo amin'ny rano indray dia 100 000 m3 be izao no tsy ampy, manampy trotraka an'io ny fahanterana sy fahasimban'ireo fitaovana. fitsinjarana ny rano. Misy ny asa efa natomboka ho famahana ny olana hoy i Andry Rajoelina nandritra ny lahatrniny ny 31 desambra 2024 alina teo, ka eo aloha ny famitana ny fanamboarana ilay toby goavana mpihary herinaratra eny Ambohimanambola, izay tokony ho vita mialohan'ny volana jona 2025. Hisy ihany koa fametrahana "parc solaire" na toeram-pamokarana herinaratra avy amin'ny herin'ny masoandro. Ny fametrahana toeram-panadiovana rano fisotro madio tahaka ny eny Amoronakona sy Ambohitrimanjaka. EFA ELA NO FANTATRA NY OLANA Goavana ny asa ary mila faharetana, hoy i Amdry Rajoelina fa tsy ho vita vetivety izany. Ny dikany dia mbola iainana isan'andro aloha izany ny fahatapahan'ny herinaratra sy ny rano. Ny antony dia satria aty amin'ny taona 2024 vao tena nikorapaka ny fitondram-panjakana kanefa efa ny taona 2009 , Rajoelina nandrombaka ny fahefana no nahafantatra tsara hoe nisy politikam-panarenana natao tamin'ny Jirama, ary nisy ny atao hoe "gel des branchements" izany hoe tsy mampiditra jiro mihitsy aloha, satria efa hita hoe tsy ampy ny herinaratra vokarina ka mila ampitomboina aloha vao mandray mpanjifa vaovao ny jirama. Rehefa tonga anefa ny fitondrana HAT notarihan-dRajoelina dia ny namoaka ireo ambara da gadra politika sy namerina ny "branchements" an'ny Jirama no natao haingana mba hambaboana ny fon'ny olona, angamba. Tsy nisy fitomboan'ny vokatra herinaratra, ny mpanjifa anefa nitombo be, dia niha mafy miandalana teny ny delestazy ary izao efa lasa fiainana izao. Misy akony tena ratsy any amin'ny fihariana sy ny famokarana anefa io, ary misy fiantraikany tena ratsy any amin'ny toekaren'ny firenena. Izany no mitranga rehefa tsy maha mametraka ny tena laharampahamehana eo amin'ny fomba fiasa. Ny vahoaka no asaina miafy sy miaritra lava. Raha ny taona 2010 ohatra ry Rajoelina no efa nanao ny tetikasa "parc solaire" sy fanamboarana "central hydro-éléctrique" ma famokarama herinaratra avy amin'ny rano, dia efa voavaha tamin'ny ampahany betsaka ny olana satria 3 ka hatramin'ny 4 taona eo ny asa fanorenana ny iray. Taona 2024 ve vao tonga saina , izany hoe tara 14 taona be izao. Efa tsy hita pesipesenina ny fatiantoka tao anatin'izay.
RTT
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap