fa hiverina indray ny delestazy lavareny eto amin’ny tambajotran’Antananarivo. Nambaran’izy ireo fa haharitra ora 2 isaky ny faritra izany izay nambaran’ny ankamaroan’ireo mpanjifa fa efa mihoatra lavitra noho izany aza ny delestazy hiainany isan’andro ary tsy vao nanomboka omaly ihany koa izany. Raha araka ny fanazavan’ny teo anivon’ity orinasa mpamatsy jiro sy rano ity moa fa noho ny olana ara-teknika amin’ireo milina roa mpamokatra herinaratra eny Mandroseza no antony mahatonga izany. Amin’ny hariva ihany koa vao mandeha ny milina mpanokatra herinaratra iray eny Ambohimanambola raha tsy lazaina intsony ny fidinan’ny herinaratra azo avy any Andekaleka vokatry ny tsy fisian’ny ranon’orana. Samy mametra-panontaniana araka izany ny rehetra mikasika ilay vahaolana efa natolotry ny Filoham-pirenena andro maromaro lasa izay mikasika ny hamahana hatrany amin’ny 80% ny olan’ny delestazy eto amintsika. Nivahakely fotsiny izany dia mitady hahazo vahana indray hany ka mahatsiaro ho diso fanantenana ny rehetra.
Pati
Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"