airtel

Actualités

22-nov-2024

ORINASA JIRAMA

Tsy taitra akory nilaza fa hiverina indray ny delestazy

Sample post image

Tsy taitra akory ny orinasa JIRAMA omaly Alakamisy 21 Novambra nilaza sy nanambara

22-nov-2024

fa hiverina indray ny delestazy lavareny eto amin’ny tambajotran’Antananarivo. Nambaran’izy ireo fa haharitra ora 2 isaky ny faritra izany izay nambaran’ny ankamaroan’ireo mpanjifa fa efa mihoatra lavitra noho izany aza ny delestazy hiainany isan’andro ary tsy vao nanomboka omaly ihany koa izany. Raha araka ny fanazavan’ny teo anivon’ity orinasa mpamatsy jiro sy rano ity moa fa noho ny olana ara-teknika amin’ireo milina roa mpamokatra herinaratra eny Mandroseza no antony mahatonga izany. Amin’ny hariva ihany koa vao mandeha ny milina mpanokatra herinaratra iray eny Ambohimanambola raha tsy lazaina intsony ny fidinan’ny herinaratra azo avy any Andekaleka vokatry ny tsy fisian’ny ranon’orana. Samy mametra-panontaniana araka izany ny rehetra mikasika ilay vahaolana efa natolotry ny Filoham-pirenena andro maromaro lasa izay mikasika ny hamahana hatrany amin’ny 80% ny olan’ny delestazy eto amintsika. Nivahakely fotsiny izany dia mitady hahazo vahana indray hany ka mahatsiaro ho diso fanantenana ny rehetra.
Pati

 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,

Card image cap
22-mai-2025

Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly

Card image cap
22-mai-2025

Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana

Card image cap
22-mai-2025

An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.

Card image cap
22-mai-2025

Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :

Card image cap
21-mai-2025

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

Card image cap