minisiteran’ny asa omaly ny Firaisamben’ny sendika malagasy revolisionera na FISEMARE ho fanampiana ireo misehatra amin’ny asa fiambenana. Misy miroborobo amin’izy ireny, hoy ny sekretera jeneralin’ity sendika ity, Mananandro Jean Raphael, saingy betsaka koa no tsy manara-dalàna. Tokony hisy ny fidinana ifotony ataon’ny minisitera, hoy ny sendika, hijerena ny isan’ireo orinasa misehatra amin’izay fiambenana na «agence de sécurité» izay. Ny ankamaroan’izy ireny dia tsy misitraka fiahiana ara-tsosialy na izany karama farany ambany izany. Mihoatra ny tokony ho izy ny ora iasàny. Isan’ny drafitra napetraka anatin’izao sosokevitra izao ny hoe tsy tokony ho 56 ora anatin’ny herinandro intsony no ora iasàn’ireny mpiambin-tanàna ireny satria raha taloha izy ireny sady mipetraka no matory no miandry vavahady dia efa miasa tsy matory mihitsy amin’izao. Mila omena «agreement» na fankatoavana manokana ireo orinasa manara-dalàna. Tsoahina iny rehefa tsy manara-dalàna dia omena ireo manara-dalàna indray. Ny ankamaroany dia na ny birao misy ilay orinasa aza tsy fantatra, hany ka rehefa mitaraina ilay mpiasa na rehefa misy ny didim-pitsaràna dia tsy hita izay tokony hanaterana izany didim-pitsaràna izany. Marefo ny mpiasa mpiambina ka tokony ho ampian’ny fanjakàna. Ny ankamaroan’izy ireo dia any am-ponja ny tongony ilany ary ny ilany any am-pasana. Izao hetsika izao no natao dia sady fanamarihana ihany koa ny andro manerantany ho an’ny mpiasa. Ny mahagaga dia ohatran’ny tsy mba misy miresaka mihitsy ny tontolon’ny asa sy ny mpiasa fa Gen Z matetika izao no tena miparitaka any anaty tambazotran-tserasera. Ho an’ny minisiteran’ny asa farany teo aloha dia hita fa nisy tsy vitan’ny teo aloha nefa vita tao anatin’ny 4 volana. Ny raharaha SMMC sy COMAMA izao tsy nahitàna fampiantsoana mihitsy hatramin’izay ny tomponandraikitra tao fa farany teo kosa nisy. Nisy ny fanadihadiana saingy eo amin’ny fanapahan-kevitra sisa izao no andrasana. Tokony hitohy izany asa izany mba hahafahana miandrandra vokatra. Sambany koa izao no nisy izany minisitry ny fitantanam-bola nandray sendika izany. Fangatahan’ny sendika tsy vitan’ny minisitry ny fitsaràna tany aloha, vitan’ny minisitry ny fitsaràna farany teo. Rehefa tsy hamerina ireny minisitra ireny ihany dia mba omeo olona mitovitovy fomba fiasa aminy ny toerana, hoy hatrany ny FISEMARE.
Nangonin’i J. Mirija
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»