airtel

Actualités

30-oct-2015

Actualités

Orinasa Scoop digital Hanamarika ny faha-10 taonany

Feno 10 taona ka hanolotra amboaran-kanto ho an'ny mpankafy azy ny orinasa mpikirakira sarimihetsika malagasy ny Scoop digital tarihan-dRazafimandimby Mamitiana

30-oct-2015


. Fantatra omaly tamin’ny fiarahana nitafatafa taminy tetsy Andohan’Analakely fa hatomboka amin’ny fanolorana seho miavaka antsoina hoe : “Comédie musicale” ho an’ny rehetra etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina ny 13 desambra izao ry zareo. Hizara telo ny hetsika dia ny fanolorana tsiahin'ireo horonantsary rehetra navoakan'ny SCOOP digital nandritra izay 10 taona izay, nanomboka tamin'ny Andrebabe sy ny ny “Ciné-film” iarahana amin'ireo "Team SAFELIKA" horavahan'ny hiran'i Njakatiana ary ny fahatelo farany dia ny “Comédie musicale” natokana ho an’ny ankizy. Natokana ho an’ny rehetra ny hetsika ary tafiditra hatrany amin’ny tarigetran’ny Scoop digital dia ny hanome fialamboly ho an’ny rehetra. Nomarihan’i Mamitiana manokana fa orinasa nahita fahombiazana hatrany teo amin'izay nataony nandritra izay  folo taona izay ny Scoop digital satria niezaka hatrany hanao zavatra tsara sy miavaka amin'ny rehetra. 10 taona nananany vahoaka maro be mpankafy sy mpanohana hatrany. Nampiavaka ny Scoop digital ihany koa ny fikarakarana hetsika goavana toy ny lalao baolina kitra 104 SLIGY tetsy Mahamasina ary ny farany teo ny JMJ Mada 8 tany Fianarantsoa. Somary misedra olana toy ny rehetra noho ny krizy ihany koa anefa ny Scoop digital ka nisafidy ny namokatra tantara mitohy aloha fa nampiato kely ny “long métrage”. Mahatoky izahay fa mbola hitady ny mpanao sarimihetsika hanampy azy amin’ny fanehoan-kevitra ny mpitondra fanjakana , hoy ny talen’ny Scoop digital.

 

Ntsoavina Evariste

 

Dans la même rubrique

07-sept-2026

demokrasia no tena mipetraka ny kolikoly»

Card image cap
07-sept-2026

Tsy mba miova ny tantara fa ny

Card image cap
07-sept-2026

hanamboaran-dalana eto Madagasikara

Card image cap
07-sept-2026

Hametraka ho laharam-pahamehana

Card image cap
07-sept-2026

Voalaza ho antony nahafaty olona tao amin’ny "Bloc opératoire"

Card image cap
07-sept-2026

Sinoa roalahy voatana am-ponja ao Tsiafahy

Card image cap