airtel

Actualités

27-mars-2026

PASTERA MAILHOL

« Io aloha no eo dia avelao hiasa ! »

Sample post image

Naneho ny heviny mikasika ireo

27-mars-2026

mpikambana 21 mianadahy mandrafitra ny governemanta Rajaonarison Mamitiana i Pastera Mailhol Filohan'ny Fiangonana Apokalipsy maneran-tany, omaly. Nambarany fa io no vokatry ny asa nataon'ny détecteur de mensonge. Misy ireo 17 mianadahy teo aloha naverina amin'ny toerany raha misy koa ireo 4 noesorina. Tsy voatery nahafa-po ny rehetra izany hoy ity Pastera ity fa na dia any am-piangonana dia sarotra izany. Tsy adinony nandritra izany ny nisaotra manokana ny Filohan'ny fanavaozana ny Kolonely Randrianirina Mickaël. Teraka ihany ny governemanta hoy izy na dia saro-piterahana aza. Nirary soa ho an'ireo mpikambana rehetra ihany koa ny tenany mba hahavitabe. Notsiahiviny fa anisan'ny asa sy adidy goavana andrasana amin'ity governemanta ity ny hamoaka mazava ny tetiandro hanatanteraka ny fifidianana eto amin'ny tany sy ny Firenena. Toraka izany koa ny fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena. Mikasika ny fanakianan'ny olona ny fomba nifantenana ireo mpikambana ao anatin'ny governemanta toy ireo tena nahay dia noesorina sy ireo tsy dia nahavita loatra dia notazonina dia nambarany fa ny Kolonely Randrianirina Mickaël ihany no mahalala ny tena tsiambarantelon'izay.
Pati
Légende : Pastera Mailhol Filohan'ny Fiangonana Apokalipsy maneran-tany !
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap