airtel

Actualités

07-oct-2026

PDS

Feno Ralambolamanana

Sample post image

Andao diovina ny tanàna,

07-oct-2026

misy lalàna eto fa tsy samy manao izay tian-katao ! »
Efa miasa ireo mpiara-miasa eny an-tsehatra amin’izao fotoana izao, miezaka manadio ireo lakan-drano indrindra indrindra, ka manamafy ny fanentanana hitandroana ny fahadiovana ny PDS eto Antananarivo Feno Ralambomanana, raha nanontanian’ny mpanao gazety omaly mikasika ny fiomanana mialohan’ny vanim-potoana fahavaratra. « Miangavy antsika eto amin’ny tanàna aho, andao hifanome tanana satria ngeza dia ngeza ilay asa miandry, hifanentanana ny fanadiovana eny amin’ny fokontany misy antsika tsirairay », hoy ny PDS Feno Ralambomanana. Mikasika ny « abribus » izay niteraka resabe teny amin’ny tambajotran-tserasera kosa, dia nahitsy ny tenany nilaza fa efa nisy ny fepetra noraisina. Nampanantsoina ireo nanangana izany tamin’ny tsy ara-dalàna mba hiverina amin’ny fanarahan-dalàna ka ho hitanareo, hoy ny PDS, ny valin’izany amin’ity herinandro ity. Notsipihiny fa tsy ny « Abribus » fa misy ihany koa ireo takelaka fanaovana dokam-barotra izay mitovy ihany ny fomba nanaovana izany, ny olona nanangana izany izay tsy nanaraka ny lalàna, fa dia natsangany araka ny eritreriny fotsiny, raha ny nambaran’ity tompon’andraikitra voalohan’ny tanànan’Antananarivo ity. « Tadidio fa misy tany tan-dalàna eto amintsika, ary averiko foana fa ny zavatra rehetra dia mila fahazoan-dàlana fa tsy izay tian’ny rehetra atao no atao eto. Tanàna misy mpitantana Antananarivo, tanàna misy Fanjakana, ka ny rehetra na iza izy na iza rehefa manao zavatra eto dia mangataka izay alalana izay satria izay no antony nametrahantsika olona hitantana ny tanànan’Antananarivo », hoy hatrany ny PDS Feno Ralambomanana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

07-oct-2026

Mitaky ny hanendrena ny

Card image cap
07-oct-2026

Madagasikara azy any Frantsa

Card image cap
07-oct-2026

Fahombiazana ny dia tatsy La Réunion

Card image cap
07-oct-2026

10 taona katroka, hamolavola ny vina 2026-2030

Card image cap
07-oct-2026

ny mivoaka ao…

Card image cap
06-oct-2026

Maniatatra ny fahaiaza-manao

Card image cap