airtel

Actualités

30-mars-2026

Politika

Nitsara tena i Brice Randrianasolo

Sample post image

Telo andro taorian'ny nijoroan'ny governemanta vaovao

30-mars-2026

tarihin'ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison dia nanao ranty i Brice Randrianasolo andaniny nitsarany tena ny amin'izay lanjany sy ny toerany ara-politika, ankilany nanaovany tolo-kevitra ho an'ireo tanora mihevitra ny hanao politika ihany koa. Tsiahivina fa efa voatendry ho minisitry ny harena ankibon'ny tany tamin'ny governemanta Ntsay Christian tamin'ny 15 aogositra 2021 i Brice Randrianasolo, saingy voatery nametra-pialana telo andro monja taorian'ny nanendrena azy noho ny tsindry niaro fanenjehana azy rehefa nisy nanaparitaka tamin'ny tambazotra sosialy sy gazety ny dosie ara-pitsarana voalaza fa nahavoarohirohy azy. Dimy taona aty aoriana, "nandefa dosie ary nanaraka ny fenitra" izy tamin'ny fananganana ity governemanta faharoana ny fanavaozana ity, araka ny filazany fa tsy nisy tohiny, "tsy voaantso" mba nohenoina. Taorian'izay dia nanao ranty izy nizarany ny fahitany fa misy andry efatra ny fahatafitana amin'ny Politika eto Madagasikara, ka nozarainy amin'ireo zandry mihevitra ny hanao politika na ho olomboafidy izany na ho olomboatendry ambony. Raha fijoroana vavolombelona nataon'i Brice Randrianasolo dia zavatra efatra no miantoka ny naoty hazahoana ny andraikitra avo lenta eto Madagasikara. Miantoka ny 35% amin'ny naoty ny hoe : misy lamosina manohana mpanambola ve ianao? Miantoka ny 30% ny hoe : misy olobe manolotra ve ianao ? Miantoka ny 30% manaraka ny hoe : misy vahoaka (na tanora) manohana ve ianao ? Tsy misy afa-tsy 5% ny avy amin'ny fahaizamanaonao. Nitsara tena i Brice Randrianasolo nanoloana ireo, ka "ny naotiko in-droa nisesy izay dia 5% /35% fanohanan'ny mpamatsy vola azy ; 20% /30% ny olobe manolotra ; 15% /30% ny tanora sy ny vahoaka resy lahatra raha toa ka + 5% /5% fahaizamanaoko. Raha atontaly dia 45%, izany hoe tsy nahazo 50% akory". Na teo aza izany dia nisaorany ireo rehetra nanohana azy tamin'izay sedra izay.
Jean D.
Brice Randrianasolo, kandida solombavambahoaka AREMA tao Ambohimanarina - Antananarivo VI ny taona 2024
 

Dans la même rubrique

28-juil-2026

Ahiana ny sabotazy goavana taorian’nytenin’ny PRRM

Card image cap
28-juil-2026

Nanome antoka ny ESAAMLG ny Fanjakana Malagasy

Card image cap
28-juil-2026

Tiana ampangaina ho mpamboly

Card image cap
27-juil-2026

Nangatahana ho atao amin’ny teny malagasy

Card image cap
27-juil-2026

Nodimandry ny Kolonely Botomanovatsara

Card image cap
27-juil-2026

Nisy fipoahana tao Ambohimanambola, hoy ny Jirama

Card image cap