airtel

Actualités

16-févr-2024

Potika tanteraka Antananarivo

Taratry ny tsy fahaiza-mitantana sy fahapotehan’ny Firenena

Sample post image

Vizana tanteraka amin’ny lafiny maro ny kaominina Antananarivo Renivohitra,

16-févr-2024

izay fitaratra voalohan’i Madagasikara. Ny mpiasan’ny kaominina tsy azo sy tara ny karama. Ny fandroahana miraradraraka satria manodidina ny 247 no voalaza fa voaroaka tsy nohavaozina intsony ny fifanaraham-piaraha-miasa. Raikitra ihany koa ny fitokonana fanairana nataon’ny Mpiasan’ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) satria efa 2 volana tsy nandray karama. Niroso tamin'ny hetsika fanairana izy ireo androany maraina ho fanairana ny tompon'andraikitra. Nanomboka ny desambra lasa teo no tsy nandray karama. Asa mafy mihatra aman’aina, sady kely karama. Rehefa avy nifandinika tamin’ny tompon’andraikitra ny solontenan’izy ireo dia niroso tamin’ny fitokonana ireo mpiasan’ny SMA. Voalaza fa tsy misy anto-bola mazava, betsaka ny tsy mandoa hetra ka tsy misy vola,... Tonga hatramin’ny antso avo amin’ny Filoham-pirenena, ary miantso ny mponina handoa hetra. Atao mahagaga ve raha maloto sy maimbo tanteraka Antananarivo ? Raharaha andavanandron’ny kaominina ny fandraofana ny fako saingy zary lasa hoentina amin’ny vonjy tavanandro lava. Tsy arakaraka ny fampanantenana tany alohan’ny fifidianana ben’ny tanàna ny novambra 2019 izay ny Filoham-pirenena mihitsy no nanome toromarika ankolaka hifidianana ben’ny tanàna avy amin’ny antokony. Novoizina tamin’izany, fa aleo olona mitovy loko politika amin’ny fitondrana no fidiana amin’izay milamina ny fifandraisana sy fampandrosoana. Mby aiza isika 4 na 5 taona aty aoriana ? Mifoha ny fanasokajian’ny Gazetiboky Forbes fa Antananarivo no tanàna voalohany maloto indrindra aty Afrika, ary fahatelo maneran-tany. Raha ny fanadihadiana nataon’ny INSTN (Institut National des Sciences et Techniques Nucléaires) tany amin’ny taona 2020, dia miakatra ambonin’ny 100µg/m3 ny fahalotoan’ny rivotra iainantsika eto Antananarivo raha toa ka tsy tokony hihoatra ny 50µg/m3 izany araka ny fenitry ny OMS. Tsy nivoatra fa vao mainka nihemotra anefa ny Renivohitra, hany ka mirongatra ny aretina samihafa noho ny loto sy ny havoretrana.
TARATRY NY FAHAPOTEHAN’NY FIRENENA
Tsy resaka fako sy loto ihany, fa tena potika amin’ny lafiny rehetra Antananarivo, ary anaran-tsy very sisa ilay hoe : « Renivohitr’i Madagasikara ». Tsy arakaraka ny fampitomboana ireo endrika fitakiam-bola samihafa toy ny nananganana ny orinasa SMGD (Société Municipale de Gestion Digitale) izay toa lasa nanao kopaka isasahana amin’ny kaominina, tonga hatramin’ny fitrosana volabe 11 miliara Ar tamin’ny CNaPS,… fa tena vao mainka milentika raha tarafina amin’ireo olana misy ankehitriny. Ny fotodrafitrasa toy ny làlana tapitra potika sy tahaka ny any ambanivohitra, ny fako tsy voaroaka, ny tsena mikorontana ambony ambany sady tototry ny fako no mamotaka, ny tanàna dibo-drano vao misy orana kely,… Tsy nandeha tamin’ny laoniny ny fanajariana ny tanàna, mirarakopana ny gaboraraka,… Antananarivo izay taratra sy tandinona voalohan’ny Firenena aza io no manjo azy mainka fa i Madagasikara iray manontolo. Tandindon’ny fahantrana, taratry ny fahapotehan’i Madagasikara noho ny fitantanana tsy mahomby io mahazo an’Antananarivo io. Na ilay ben’ny tanàna aza tsy nahovoka fa navelany teo Antananarivo, kanefa tsy voatendry mandrak’androany ny PDS. Tena izao ve ilay hoe : Madagasikara tsy maintsy mandroso ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

30-avril-2025

Nivoaka omaly 29 Aprily 2025 ny didim-pitsarana niampangana ny filohan’ny sendikan’ny paramedy, Rakotoarilison Armand.

Card image cap
30-avril-2025

Sarotra ny hilaza fa tsy nahitàna tombontsoa ny fiaraha-miasa teo amin’i Madagasikara sy Frantsa

Card image cap
30-avril-2025

Raha namoaka fanambarana ny mpitandro ny filaminana fa tsy misy hidiran’ny Base Toliara

Card image cap
30-avril-2025

Taorian’ny tsy fifankahazoana teo anivon’ireo mpivarotra sy ny ben’ny tanànan’Antehiroka,

Card image cap
30-avril-2025

Solontenan’i Madagasikara amin’ny Mondial du Pain faha-10 izay hatao any Nantes Frantsa

Card image cap
30-avril-2025

Ny lafiny ara-pahasalamana no tena olan’ny ankamaroan’ny Malagasy

Card image cap