airtel

Actualités

18-mai-2026

Pr Joseph

« Atsaharo ny fanenjehana

Sample post image

ny Filohan’ny fanavaozana ! »

18-mai-2026

Naneho ny heviny mikasika ny fanenjehana hataon'ny sasany ny Filohan'ny Fanavaozana Randrianirina Michael ny Pr Joseph. Hita sy tsapa hoy izy fa tena misy ny ezaka hataon 'ny fitondrana izay tarihin 'ny Filohan 'ny fanavaozana ka tokony hatsahatra ny fanenjehana azy, toy izay nataon 'ny solombavambahoaka Rajerison Antoine sy ireo forongon - dRajoelina izay tsy mitsahatra manaratsy izao fitondrana ankehitriny izao, ka mahasahy miteny hoe : nanao an - keriny ny fahefana no nahatonga an ' io Kolonely Michaël io teo ! Aza adino hoy izy fa raha nisy ny mpanao an - keriny ny fahefana, dia i Andry Rajoelina, noho ny fitiavam - bolany tafahoatra sy ny fanaovany tantely afa - drakotra ny harem - pirenena izay efa hitam - poko hitam - pirenena ary tsy miafina eo anatrehan ' izao tontolo izao, fa mody notakomany tamin 'ny alalan ' ireny asa vitany izay lazainy fa manara - penitra ireny. Toraka izany koa ny vono olona sy ny Kidnapping izay tsy hay ho lazaina intsony. Raha tsy nijoro sy niditra an - tsehatra ny Kolonely Randrianirina Michaël nandritra ireny fitakiana maro lafy izay nitolomana teto Madagasikara tamin 'ny volana Septambra 2025 ireny hoy izy dia angamba sanatrian ' izany efa faty olona tsy hita noanoa no nitranga teto mandraka ankehitriny noho ny fampiasan ' i Andry Rajoelina an ' ireo mpanao herim - pamoretana izay nirongo fitaovam - piadiana mahery vaika nitifitra sy namono ny vahoaka izay nitaky ny zony. Izany dia voaporofo araka ny tenin 'Andriamanitra hoy Or Joseph izay voasoratra ao amin 'ny ( Marka, 13 : 20 ) manao hoe : Ary raha tsy nohafohezin 'ny Tompo izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena ; fa noho ny olom - boafidy, izay nofidiny, dia nohafoheziny izany andro izany. Noho izany dia fisaorana sy fankasitrahana lehibe no hatolotra an ' Atoa filoham - panjakana ny Kolonely Randrianirina Michaël noho ny fandavatenany sy nanekeny ho nampiasain ' i Jesosy hamonjy ny mpiara - belona. Koa eo anatrehan ' izany, dia mankahery anao hatrany Atoa filoha Michaël sy ireo tompon ' andraikim - panjakana rehetra izay miara - miasa aminao, ary mankahery an - dRtoa Fanirisoa Ernaivo Minisitry ny fitsarana hahatontosa ny andraikitra lehibe ny amin 'ny famongorana ireo tsy maty manota sy mpampahory vahoaka eto amin 'ny firenena.
Pati
Légende : Ny Pr Joseph mpanompon'Andriamanitra sy mpandinika raharaham-pirenena !

 

Dans la même rubrique

21-mai-2026

aza ny fitondràna!»

Card image cap
21-mai-2026

no any Rosia Ambasadaoro 3 vaovao

Card image cap
21-mai-2026

telo volana, mbola mila ezaka be…

Card image cap
21-mai-2026

antsy ny vadiny sy ny zanany mirahavavy

Card image cap
21-mai-2026

amoron-dalana mibahana lalam-bahoaka

Card image cap
20-mai-2026

Fanjakana, nanolotra 150 tapitrisa Ar »

Card image cap