airtel

Actualités

18-juin-2025

Pr René de Roland Lily-Arison

Notolorana mari-boninahitra ambony

Sample post image

Notolorana ny mari-boninahitra ambony « Ordre National Malagasy »,

18-juin-2025

amin’ny laharana « Commandeur », i Profesora René de Roland Lily-Arison. Fankasitrahana lehibe tamin’ny asa sy fikarohana nataony, izay nandraisany anjara goavana tamin’ny fampandrosoana ny siansa sy ny fiarovana ny tontolo iainana no antony. Vao avy nahazo ny loka manerantany « Indianapolis Prize 2025 » izay heverina ho toy ny "Prix Nobel" amin’ny fiarovana ny natiora ny tenany Marihina fa nanana anjara asa lehibe ihany koa i Profesora Lily-Arison tamin’ny fananganana faritra arovana vaovao manerana an’i Madagasikara. Izy ihany koa no mitana ny andraikitra maha tale jeneraly ao amin’ny The Peregrine Fund, fikambanana natokana amin’ny fiarovana ny vorona sy ny tontolo voajanahary. Mipetraka ho maodely sy fitaratra amin’izany tsy eto ihany, fa maneran-tany ity mpikaroka malaza ity. Zava-dehibe ary mendri-piderana ny finiavana ananany. Tokony hisitraka fankasitrahana sy fanohanana ireo manampahaizana Malagasy, izay manome ainga vao amin’ny fandrosoana ara-tsiansa sy amin’ny sehatra samihafa.
Toky R

 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap
29-avril-2026

Nobatain'ireo mpino Silamo nivoaka ny sekoly Jery ny Filohan'ny FSM

Card image cap
29-avril-2026

Nanaovana hetsika manokana ny tany Maintirano

Card image cap
29-avril-2026

Adihevitra tato ho ato ny

Card image cap
29-avril-2026

Hampiharina amin’ity taona ity ny tetikasa «Rahaka»

Card image cap