Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ny fampandrosoana ny sehatry ny indostria ary ny fitaterana an-dranomasina ny fitsidihana ofisialy nataon’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Kolonely Michaël Randrianirina, tany Djibouti. Anisan’ny nisongadina nandritra izany ny seranan-tsambon’i Doraleh, ny faritra indostrialy Damerjog ary ny orinasa Djibouti Telecom, izay heverina fa mety ho sehatra lehibe sy maodely ahafahan’i Madagasikara manainga ny toekarena. Anisan’ny nisarika ny saina ny seranan-tsambon’i Doraleh, izay nahavita nampivezivezy kaontenera 1,6 tapitrisa tamin’ny taona 2025, raha 267 000 kosa ny an’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Manana seranan-tsambo miisa 7 i Djibouti, ary toerana stratejika eo amin’ny andilan-dranomasin’i Bab el-Mandeb sy ny Hoalan’i Aden, lalana lehibe mampifandray ny varotra iraisam-pirenena sy ny firenena toa an’i Etiopia, Eritrea, Yemen ary Somalia. Anisan’ny nisongadina tamin’ny fitsidihana ny faritra indostrialy Damerjog, izay mirefy 30 km², ka 10 km² natokana ho an’ny indostria an-tanety ary 20 km² ho an’ny sehatra an-dranomasina. Tafiditra ao anatin’ny fotodrafitrasa kasaina hatsangana ny indostrian’ny lamba, ny seranan-tsambo, ny ivon-toeram-panadiovana solika na raffinerie, ny sehatry ny pétrochimie ary ny fitahirizana sy famatsiana solika. Ny Djibouti Damerjog Industrial Development (DDID) no rafitra miandraikitra ny tetikasa ary mitantana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpandraharaha sy ny Fanjakana jibo¬tiana. Nitsidika ny orinasa Djibouti Telecom ihany koa ny delegasiona malagasy, izay mampifandray an’i Djibouti amin’ireo tambajotran-tserasera iraisam-pirenena. Amin’ny ankapobeny, natao hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny seranan-tsambo, ny indostria, ny angovo, ny fifandraisan-davitra ary ny fampiasam-bola ny fitsidihana, ka antenaina hitondra tombontsoa ara-toekarena ho an’i Madagasikara. Nandritra ny fihaonana tamin’ireo Malagasy monina ao Djibouti, nambara ny ezaka hanamorana ny fahazoana pasipaoro sy ny raharaha ara-panjakana, ary ny fikasan’ny Fanjakana hanokatra kaonsilà malagasy ao an-toerana. Notsindriana ihany koa ny tokony hampiasan’ny diaspora ny volany sy ny traikefany hampandrosoana an’i Madagasikara. Nasongadin’ny Filohan’ny Fanavaozana ihany koa ny anjara toeran’ireo Malagasy any ivelany amin’ny fampandrosoana ny firenena. Maro amin’ireo diaspora monina ao Djibouti no manana fahaiza-manao manokana, ka ao ny mpiasam-panjakana, ny injeniera ary ny manam-pahaizana amin’ny sehatra samihafa. Nandritra ny fifanakalozan-kevitra dia nisy ny soso-kevitra momba ny fananganana trano fonenana mendrika ho an’ny Malagasy, indrindra ho an’ireo manana olana amin’ny trano fonenana. Raha manodidina ny 1 tapitrisa monja ny mponina eto, dia mahatratra 200 isan-taona ny logements sociaux mitsangana. « Efa anatin’ny tetikasan’ny Fanjakana Fanavaozana ankehitriny ny mikasika izany », hoy ny Filoha RANDRIANIRINA Michaël. « Hisy ny tetikasa fitaratra, hananganana trano "préfabriqué" eny am-balam-bahoaka ka eto Antananarivo no hanombohana azy ary hitarina tsikelikely any amin’ny Faritra izany », hoy hatrany izy.
Toky R