Mbola sarotra ny hilaza fa mahaleontena ny firenena amin’izao fotoana izao, hoy ny mpiangaly vakodrazana malagasy, Rabejean Miarinarivo na Jean France Wysco Razafindrabe. Tonga izao ny fetim-pirenena, hoy izy, dia bizina sinoa no mbola manjaka. Kilalao sinoa no mameno tsena. Be dia be nefa izao ny arendrina taratasy efa tsara kalitao. Maninona no tsy ireny no jifain’ny sarambabem-bahoaka sy ny isam-batan’olona? Maninona isika no lasa manjifa ilay vita vahiny na sinoa? Vita gasy no jifaintsika raha tena mahaleotena isika! Ny fanjifàna ny vita gasy no isan’ny maneho ny maha malagasy. Tsy fetim-pirenena sinoa io fa fetim-pirenena malagasy ary isaorana ny fitondràm-panjakàna nandray ilay fanapahan-kevitra ny amin’ny fanentanana ireo mpitondra hanao fitafy malagasy anatin’izao vanim-potoana izao. Rehefa avy any ambony ny ohatra hoy ny fiteny dia manaraka ho azy ny aty ambany. Mila maneho ny maha malagasy antsika koa izany isika olompirenena rehetra fa tsy hijery randrana manendrika ny hafa. Aoka koa mba tsy hoe tapitra ny 26 jona dia ho tapitra hatreo ny maha malagasy fa mba ho fiainana isan’andro ilay izy. Anaty iray volan’ny teny malagasy koa isika izao dia fanararaotra izany hanandratana ny antsika satria ahoana no ahafahana mampita ny maha isika antsika amin’ireo taranaka moa raha toa ka isika indray no hanamavomavo ny antsika? Tsy hahaleotena mihitsy isika raha toa ka ny soatoavintsika sy kolontsaintsika aza odiantsika tsy hita. Efa zava-dehibe ny ezaka fanehoana ivelany samihafa fa mila arahana asa koa nefa io. Efa zava-dehibe izao ny fikarakaràna iray volan’ny teny malagasy, ny taom-baovao malagasy, rehefa mety ho hetsika hanandratana izay maha malagasy izay. Ny olana fotsiny dia ny mety ho tsy fitoviam-pijery eny an-tsefatsefany eny nefa hoy koa ny taolon-drazantsika hoe ny hitsitokotokoan’ny loha no hizarazaràn’ny saina. Ezaka goavana ny famerenana ny fihavanana sy firaisankina malagasy, noho izany, ary izay no tokony hataon’ny mpitondra izao, hoy hatrany izy.
J. Mirija