airtel

Actualités

09-janv-2026

Rado Ramparaoelina

Sokafy ara-teknika ny fanotofana tany

Sample post image

Tafiditra tanteraka ao anatin'ny fanovana

09-janv-2026

sy fanaovana isika ankehitriny hoy Rado Ramparaoelina, Ben'ny tananan'ny kaominina Ampitatafika, distrikan'Atsimondrano no sady Filohan'ny Fikambanan'ny Ben'ny tanana manerana ny Nosy. Any amin'ny famoronana asa hoy izy no tokony hojeren'ny Fitondram-panjakana akaiky raha te-handroso marina sy haingana isika. Manao izay ho afany ireo tsy dia afaka nianatra loatra noho ny fahasahiranana hoy izy mba hitady asa. Mandefa zanaka.manovo fahalalana eny amin'ny anjerimanontolo ary mahazo ny mari-pahaizana ambony ny Ray aman-dReny mba hitady asa. Alefa any am-pitandranomasina koa ireo zanaka mpanambola mba hiasa. Asa no tena hifanotofan' 'ny olona hoy hatrany ka ho an'ireo tanombary efa tsy mety hamokarana intsony fa maty noho ny fanaovam-biriky...dia nomarihiny manokana fa tokony havadika zavatra hafa hanampiana ny mpiara-belona. Ho an'ny kaominîna Ampitatafika izay tantanany manokana dia hangatahiny ny hanokafana ara-teknika ny fanotofana tany. Efa mañana ny drafitra fanajariana ny tany rahateo izahay hoy izy izay hinoako fa mety ho an'ny kaominîna hafa mañana izany ihany koa. Tsy miova moa ny teny filamatra ho azy ireo dia ny fampandrosoana ny kaominîna sy ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka hatrany manomboka amin'ny filana amin'ny fiainana andavanandro izany ka hatrany amin'ny famoronana asa amin'ny alalan'ny fanohanan'ny mpiara-miombon'antoka sy ny Fitondram-panjakana mijoro.
Pati
Légende : Rado Ramparaoelina, Ben'ny tananan'ny kaominina Ampitatafika, Atsimondrano !
 

Dans la même rubrique

18-mai-2026

ny Filohan’ny fanavaozana ! »

Card image cap
15-mai-2026

no hivoaka amin’ny fikaonandoha fa tsy olona!»

Card image cap
KMF
15-mai-2026

ny fikaonandoham-pirenena

Card image cap