airtel

Actualités

14-août-2025

RAHARAHA AMBOHIMALAZA

Miandry hatrany ny tena marina sy ny nahavanon-doza ireo fianankaviana

Sample post image

Noraisin’ny Filoham-pirenena teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha

14-août-2025

omaly Alarobia 13 Aogositra ny fianakavian’ireo niharan-doza noho ny fanapoizinana ara-tsakafo nitranga teny Ambohimalaza, herinandro maromaro lasa izay. Fantatra fa hahazo fanampiana manokana ireo fianakaviana namoy havana. Nanome toky ny Fitondram-panjakana fa hitady ny marina, ary tsy maintsy ho avoaka izany. Ho saziana kosa ireo nahavanon-doza. Na izany aza mafy ho an'ireo fianakaviana nanana ny maty iny tranga iny. Naneho ny alahelony sy ny heviny ny ampahany tamin'izy ireo omaly. Hoy i Maman’i Nombana sy Onja : Afak'omaly Talata izay. vao notenenina hoe: tongava eny Iavoloha ianareo fa horaisin’ny filoha. Fa ny tena mahamaika anay dia hoe : inona no tena marina ary inona ny sazy ho an’ireo meloka ? Zaza noheverina hoe : andry iankinana no maty. Hoy ny Dadan’i Tony Alex (22 taona) : Tokony hamita fianarana amin'ny taona ho avy ny zanako kanefa dia maty tao anatin’ny indray mipi-maso. Nisaotra ny filoha tamin’ny fandraisan’andraikitra nataony izy ireo na izany aza. Nasehon’ny filoha anay ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana ka tena zava-dehibe ho anay izany. Nampitonitony ny sainay ny fanambaran’ny filoha hoe ho arahany akaiky ny raharaham-pitsarana. Tena miandry izahay fianakaviana hoe : iza no nahavanon-doza hoy izy ireo.
Pati
Légende : Ny Filoha Rajoelina nihaona tamin'ireo fianakaviana nanana ny maty teny Ambohimalaza !

 

Dans la même rubrique

22-mai-2026

Tsy anaty kitapombolam-panjakana ny fitakiana, tsy zo iny fa « prime » !»

Card image cap
22-mai-2026

Tsy tokony ho be kolikoly sy hamoritra vahoaka ny manamboninahitra »

Card image cap
22-mai-2026

hoy ny Filohan'ny Synad

Card image cap
22-mai-2026

ireo hisakafo ao amin’ny PHO Resto

Card image cap
22-mai-2026

Mirongatra ny halatra tany tsy

Card image cap
21-mai-2026

aza ny fitondràna!»

Card image cap