airtel

Actualités

31-juil-2025

Raharaha Ambohimalaza

Nidoboka am-ponja i Fenohasina sy ny reniny

Sample post image

Vita omaly ny fakana am-bavany teo anatrehan’ny mpitsara mpanao

31-juil-2025

famotorana an’i Fenohasina ilay tompon’ny tsingerin-taona sy ny Reniny antsoina Olga dit Fafah. Izy mianaka ireo izay tratry ny fitoriana faobe. Taorian’ny fandinihan’ny mpitsara ny raharaha, noraisin’ireo mpitsara ny fanapahana nampiditra am-ponja vonjimaika io reniny io, raha toa ka napetraka eo ambany fianaraha-mason’ny fitsarana na « sous-contrôle judiciaire » kosa i Fenohasina, raha ny fanazavan-dRtoa Rakotoniaina Narindra Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany eto Antananarivo. Ity farany izay nilaza fa mahaleo tena tanteraka ny Fitsarana amin’ny fanapahan-kevitra izay iraisany. Nomarihiny fa tsy tsy voatery hitovy hevitra ny mpitsara mpanao famotorana sy ny fampanoavana, ka nanao fanohanana na « opposition » an’io fanapahan-kevitra nametraka an’i Fenohasina ho eo ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana io ny fampanoavana. Nalefa teo anivon’ny « chambre de détention » ny fanohanana, ka namoahana didy ny hamonjana an’ity tompom-pety ity io sampana eo anivon’ny Fitsarana io. Araka izany, nidovoka am-ponja vonjimaika ihany koa i Fenohasina. Nambara fa mitohy ny famotorana sy fandalinana ny raharaha, ary rehefa feno izany rehetra izany dia hatolotra ny Fitsarana momba ny heloka bevava ireo voarohirohy rehetra. Tafakatra 5 izany hatreto ireo olona nadoboka am-ponja vonjimaika tamin’ity raharaha ity. Na izany aza, mbola betsaka ny zavatra manjavozavo manodidina an’ity raharaha ity, saingy efa hizingizinin’ny Fanjakana notarihin’ny Filohan’ny Repoblika moa hoe : izao no marina, dia mizotra manaraka an’izay ny fandehan’ny toe-draharaha. Ity raharaha nahafatesan’olona 32 ity izay toa takotakon’ny raharaha boeing 777 tato ho ato, kanefa tokony tsy ho vita mora sy tsy ho matimaty foana ireo lasibatra tao anatin’ity raharaha ity, ary tokony hivoaka ny tena marina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-juil-2026

Nangatahana ho atao amin’ny teny malagasy

Card image cap
27-juil-2026

Nodimandry ny Kolonely Botomanovatsara

Card image cap
27-juil-2026

Nisy fipoahana tao Ambohimanambola, hoy ny Jirama

Card image cap
27-juil-2026

Miroso amin'ny fanavaozana lehibe

Card image cap
27-juil-2026

Karohan'ny Polisim-pirenena eo

Card image cap
27-juil-2026

Mitohy hatrany ny halatra taribin'ny

Card image cap