Nivadika ho raharaha mafana sy mampiady hevitra ny fifaninanana hidirana ho mpianatra ho mpitsara sy mpiraki-draharahan’ny Fitsarana tao amin’ny ENMG (Ecole Nationale de la Magistrature et des Greffes) tamin’ny 28–31 Oktobra 2025. Niteraka olana ny raharaha kolikoly sy hosoka nandritra ny fanadinana, ka nisy laza adina nivoaka sy nivarotra hatrany amin’ny 1 000 000 Ariary isanisany, raha ny tatitra ofisialy nataon’ny BIANCO. Hatreto, olona 06 voasambotra, 03 tamin’izany naiditra am-ponja vonjimaika eny Avaradrano‚ raha napetraka eo ambany fanarahamason’ny Fitsarana ny 03 ambiny. Izy ireo hatreto no voarohirohy tamin’ny fivarotana laza adina mialoha ny fanadinana tamin’ny sarany an-tapitrisany. Izay no niteraka ny fampiatoana, saingy io no niteraka fahatezerana sy fisalasalana teo amin’ireo mpifaninana io satria amin’ireo afaka dia manohintohina ny fitokisana amin’ny rafitra fitsarana sy ny fomba fandraisana mpitsara vaovao. Araka ny antontan’isa ofisialy, 4170 no mpifaninana tao amin’ity fifaninanana ity, saingy 150 ihany no toerana hifaninanana: 100 ho an’ny sampana mpitsara ary 50 ho an’ny mpiraki-draharaha. Miisa 196 ireo afaka tamin’ny adina an-tsoratra ! Hatramin’izao anefa, mbola tsy mazava raha taranja iray na maromaro no voakasika, ka mahatonga tebiteby sy fisalasalana eo amin’ireo kandidà. Maro amin’izy ireo no manahy sao very maina ny ezaka sy fotoana efa natokana ho amin’ny fifaninanana, raha toa ka hofoanana tanteraka ny vokatra. Naneho ny heviny ny Filohan'ny SMM na ny Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara, Mbitanarivo Andriantsihoarisoa omaly alatsinainy 30 Martsa 2026, fa tsy vahaolana ny hanafoanana ny fifaninanana na "concours". Tsy fantatra, hoy izy, na voakasik'io fivoahan'ny laza adina mialoha io ireo taranja miisa 3 (filière financière, filière judiciaire, filière administrative) na ny iray amin'ireo ihany no voakasika. Maro amin'ireo ankizy afaka ihany koa no sahirana nefa tsy fantatra ny fotoana mety hisian'ny fifaninanana indray, izay mety mbola hisian'ny kajikajy. Ao anatin'izao Fitondrana Fanavaozana izao, rariny sy hitsiny kosa, hoy izy, raha hirosoana ny Fanavaozana eo anivon'ny ENMG izay eo ambany fiahian'ny Minisiteran'ny Fitsarana.
EFA NILAZA NY HEVINY NY MEDIATIORA…
Ny 19 martsa ihany koa, nihaona tamin'ny Mpiahy ara-drariny na ny Mediatioran'ny Repoblika Pr Andrianaivotseheno Ravaka izay nandray ireo mpiadina afa-panadinana an-tsoratra tao amin'ny ENMG tamin'io fifaninanana io. Naneho ny ahiahin’izy ireo mikasika ny mety ho fanafoanana ny valim-panadinana sy ny fahataran’ny famaritana ny datin’ny fanadinana am-bava, ka nanaovan’izy ireo fitarainana mba ahazoana fanazavana hentitra sy ara-potoana. Manoloana izany dia nanao fanadihadiana avy hatrany teo anivon’ny ENMG ny Mpiahy an-drariny, ary tsapa taorian’izany fa ilaina ny fandraisana andraikitra haingana, hoy ny serasera tamin'izany. Nohamafisin'ny Pr Andrianaivotseheno Ravaka fa andraikiny ny miaro ny vahoaka amin’ny tsy rariny sy ny tsy fangaraharana rehetra, ary ilaina hoy izy, ny fanapahan-kevitra mazava avy amin’ireo tomponandraikitra. Araka izany, nilaza hanara-maso akaiky ity raharaha ity ny tenany sy ireo tomponandraikitra rehetra eo ambany fitarihany, ary hijoro hatrany ho mpiaro ny zon’ny vahoaka, ho mpandala ny fahamarinana, ary tsy hihemotra amin’ny fanajana ny lalàna mandra-pahazoan’ny rehetra valiny mazava. Na izany na tsy izany na tsy izany, saropady ity raharaha ity, samy manana ny heveriny fa marina sy rariny ka ny fanadihadiana lalina sy marina no tokony hiaingan'ny fanapahan-kevitra farany. Stratejika ary tokony ho taratry ny fahamarinana, rariny, hintsiny,... rahateo ny mpitsara sy ny Fitsarana. Asa hita taratra ve izany ankehitriny sa tsia?
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»