airtel

Actualités

19-mars-2026

Raharaha IST nifamahofaho sy nampiahiahy

Inona marina ny mitranga eo anivon’ny Fitsarana ?

Sample post image

Niteraka resabe sy ahiahy samihafa ny

19-mars-2026

raharaha fivoahana fahafahana tsy fahafahana mivoaka ny sisin-tanin’i Madagasikara ho an’olona miisa 13 nahitana mpandraharaha karana matanjaka amin’ny sehatra stratejika eto amin’ny firenena toy ny angovo, solika,… Tahaka izany ihany koa ny miaramila mpiambina filoham-panjakana teo aloha, manamboninahitra efa misotro ronono, mpanao politika maramaro,… Nivoaka izany ny 16 martsa, ary nofoanana tamin’ny alalan’ny fanapahana nataon’ny Fitsarana tamin’ny alalan’ny Cour d’appel nosoniavin’ny tonia mpampanoa lalàna Razafindralambo Didier Alban, ary voasoratra tao anatin’io ny hoe : ampandalovina amin-dTRtoa Mininisitry ny Fitsarana. Somary hafahafa ihany satria efa ny 09 martsa taorian’ny nampitsaharana ny governemanta notarihin’ny Praiminisitra teo aloha Herintsalama Rajaonarivelo no nitsahatra ny asan’ireo minisitra rehetra. Betsaka no nametra-panontaniana hoe mbola misy baiko sy dian-tanan’ny Minisitry ny Fitsarana efa natsahatra izany ny fanapahan-kevitra ? « Tsy minisitra misahana ny Fitsarana intsony aho hatramin’ny nandravana ny governemanta. Noho izany dia lavitra tanteraka ahy, na ara-dalàna na ara-pitantanana, ity raharaha ity. Amin’izao fotoana izao koa dia aty ivelan’i Madagasikara aho, ka tsy nahalala na kely aza mikasika ity dosie ity, na ny fisian’izay « procédure » lazaina, ary vao mainka aza tsy misy ifandraisany amiko izay dosie mandeha ao amin’ ny Fitsarana na io “main levée” io », hoy Rtoa Fanirisoa Ernaivo. Nilaza noho izany ity Minisitra teo aloha ity fa ezaka fandotoana sy fanaratsiana azy no miseho eto. « Misy fikasana mibaribary hanilihana amiko andraikitra tsy ananako, amin’ny tanjona politika tokana dia ny hanimbana ny hasiko sy hanaratsiana ny lazako eo imason’ny vahoaka. Tsy hanaiky ho fitaovana amin’izany tetika izany aho, ary manameloka amin-kitsim-po ireo fanendrikendrehana tsy misy fotony rehetra. », hoy hatrany Rtoa Fanirisoa Ernaivo. Namoaka fanambarana ofisialy omaly 18 martsa ny Ministeran’ny Fitsarana, taorian’ny fiparitahan’ny vaovao nambara fa tsy marina tao amin’ny haino aman-jery sy ny tambajotra sosialy. Manazava ny toe-draharaha manodidina ny famaranana ny andraikitry ny Praiminisitra Fanirisoa Ernaivo, araka ny Didim-panjakana laharana 2026-763 ny 9 Martsa 2026, nanatsahatra ny praiminisitra sy ny governemanta teo aloha. Nanamafy ny fanambarana fa hatramin’io daty io dia tsy nandray fanapahan-kevitra intsony izy tao amin’ny ministera. Ny Sekretera Jeneraly no mitantana ny raharaha andavanandro, saingy voafetra amin’ny “affaires courantes” ihany ny fahefany, araka ny fitsipika manan-kery. Nampahatsiahivin’ny ministera fa mijanona ho mahaleo tena tanteraka ny rafitra ara-pitsarana rehetra eto Madagasikara, manomboka amin’ny Fitsarana Tampony ka hatramin’ny Fitsarana ara-bola, araka ny fanambarana dia nosoniavin’i Ramanana Onitiana Amintsoa, Tale Jeneralin’ny Serasera ao amin’ny Ministeran’ny Fitsarana. Na izany aza, mbola betsaka ny adihevitra sy ahiahy mikasika ilay taratasy niparitaka sy ny fapahan-kevitra voarakitra tao anatiny. Inona marina izany no mitranga ? Nahoana no mbola nisy anaran’ny Minisitra teo aloha ? Nisy ve ny tsindry goavana ka nanafoanana ilay IST ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap