airtel

Actualités

31-janv-2025

Randrana sendikaly

«Hitondra vahaolana izahay amin’io sabotsy io!»

Sample post image

Lasa nofy ratsy ho an’i Madagasikara ankehitriny izany AGOA izany satria mpiasa amana hetsiny

31-janv-2025

ny taona 2009 no very asa tampoka, hoy ny Randrana sendikaly. Avy, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga, dia tsy nisy noraisina fa niverina nody tany ambanivohitra, nanao ny tsy fanao mihitsy aza. Tsiahivina fa isika malagasy no nahatonga ny fahatapahan’izany AGOA izany tamin’ireny fotoana ireny. Ankehitriny kosa dia izy tompony indray no mampiaka-peo hoe hanapaka na hampiantona an’ilay izy. Rehefa tsy misy intsony ny fandraisan-drizareo vokatra avy eto amintsika dia ho sahirana ny orinasa. Tafaresaka tamina orinasa voakasik’io izao izahay, mpiasa manodidina ny 5000 isa no ao amin’ilay izy, misy manana fifanarahana hatramin’ny taona 2028. Hihatra io izany afaka herintaona, hoy ilay kabary. Fomba fiteny nefa io afaka herintaona io fa ny tonga dia fiantraikany eo amin’ilay mpampiasa sy mpanjifa mihitsy izany no tonga dia mampandray fepetra satria matahotra izy sao ho very fotsiny ao ny vola ampiasainy. Hiverina ve izany ny nofy ratsy tamin’ny 2009, 16 taona aty aoriana amin’io AGOA io na dia hoe samihafa aza no nahatonga ilay izy? Izao izany no fotoana tokony hanehoan’ny fanjakàna malagasy fa hananany ny paikady mazava hanatsaràna ny tontolon’ny asa eto Madagasikara. Na ny karama faran’ny volana aza izao efa mampametra-panontaniana mpampiasa maro. Lasa maheno fanambaràna be dia be isika izao ary ny mpitondra mihitsy no miteny hoe leo korontana ny vahoaka na tsy mila korontana na sahirana. Nampiononona tao anaty korontana sy fahasahiranana ve izany ny vahoaka tao anatin’izay fotoana lavabe izay? Inona izao no mikorontana eo? Ny praiminisitra tsy mbola niova tanatin’ny taona maro. Ny fifidianana ben’ny tanàna vita ihany. Mikorontana ve izany izao ny vahoaka? Miandry vahaolana ho avoakan’ny fanjakàna izany isika izao. Nisy iny manam-pahaizana momba ny toekarena iny moa nilaza 263 miliara Ariary no vola ho azo amin’ny mpamatsy vola ho zarazaraina fotsiny amin’io tsimbitsimbina io amin’ity 2025 ity. Naheno nefa isika hoe mitsahatra ny fanomezana fanampiana avy any amin’ny bekintana. Inona no vahaolana ho avoakan’ny fitondràm-panjakàna anaty fotoana fohy? Hitondra vahaolana izahay amin’io sabotsy io eny amin’ny Motel Anosy, hoy hatrany ny Randrana sendikaly, rehefa tsy mahita ny fitondràm-panjakana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,

Card image cap
20-mai-2025

Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny

Card image cap
20-mai-2025

Hitombo ary hihatsara ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra eo anivon’ny

Card image cap
20-mai-2025

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taona nijoroany ny

Card image cap
20-mai-2025

Misy ny didim-pitsaràna mikasika ny fifanolanana ara-tany eo amin’ny orinasa

Card image cap
19-mai-2025

An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.

Card image cap