airtel

Actualités

27-déc-2024

Rano be eo Andravoahangy

Tazanim-potsiny hatrany ny fijaliam-bahoaka

Sample post image

An-taonany no efa nampijaly vahoaka ny rano miandrona eo Andravoahangy izay hita foana na fahavaratra na lohataona na ririnina.

27-déc-2024

Tena ilàna vahaolana maika, ary efa betsaka ny fampanantenana ny hamaha ny olona teo, saingy mandrak’ity ny androany. Ny kandida ben’ny tanàna Tahina Razafinjoelina no hany nitondra vahaolana vonjimaika nandritra ny rano tamin’ny alalan’ny « motopompes » rehefa nisy ny fangatahana nataon’ny mponina, ka nanehoana fomba fiasa fa azo atao ny mamaha olana vonjimaika, fa azo ketrehana ihany koa ny vahaolana maharitra. Hatreto anefa, toa hodian’ireo tena tompon’andraikitra bemarenina na tsy tena tonga any amin’ny mpitantana toy ny PDS mihitsy, na tonga any ihany fa sarontsaronana amin’ny hoe : mila sy miandry volabe sy vahaolana maharitra ka tsy hanao mihitsy raha tsy misy an’izay. Misy « pompiers » ihany koa tsy lavitra eo izay 50m raha be indrindra fa ny eo ihany no eo, tsy andraikiny angamba kanefa inoana fa misy « motopompes » ao. Nisy moa ny fidinana ifotony nilazana fa fijerena vahaolana nataon’ny teo anivon’ny Minisiteran’ny ka asa na nandalo dia niserana na mba hitondra vahaolana maharitra satria tsy dia zava-baovao ny hoe : midina ifotony mijery ny olana fa ny tena asa tsy misy? Io aza moa mandavan-taona tsy voavaha mainka fa ny olan’ny Renivohitra manontolo ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap