airtel

Actualités

27-déc-2024

Rano be eo Andravoahangy

Tazanim-potsiny hatrany ny fijaliam-bahoaka

Sample post image

An-taonany no efa nampijaly vahoaka ny rano miandrona eo Andravoahangy izay hita foana na fahavaratra na lohataona na ririnina.

27-déc-2024

Tena ilàna vahaolana maika, ary efa betsaka ny fampanantenana ny hamaha ny olona teo, saingy mandrak’ity ny androany. Ny kandida ben’ny tanàna Tahina Razafinjoelina no hany nitondra vahaolana vonjimaika nandritra ny rano tamin’ny alalan’ny « motopompes » rehefa nisy ny fangatahana nataon’ny mponina, ka nanehoana fomba fiasa fa azo atao ny mamaha olana vonjimaika, fa azo ketrehana ihany koa ny vahaolana maharitra. Hatreto anefa, toa hodian’ireo tena tompon’andraikitra bemarenina na tsy tena tonga any amin’ny mpitantana toy ny PDS mihitsy, na tonga any ihany fa sarontsaronana amin’ny hoe : mila sy miandry volabe sy vahaolana maharitra ka tsy hanao mihitsy raha tsy misy an’izay. Misy « pompiers » ihany koa tsy lavitra eo izay 50m raha be indrindra fa ny eo ihany no eo, tsy andraikiny angamba kanefa inoana fa misy « motopompes » ao. Nisy moa ny fidinana ifotony nilazana fa fijerena vahaolana nataon’ny teo anivon’ny Minisiteran’ny ka asa na nandalo dia niserana na mba hitondra vahaolana maharitra satria tsy dia zava-baovao ny hoe : midina ifotony mijery ny olana fa ny tena asa tsy misy? Io aza moa mandavan-taona tsy voavaha mainka fa ny olan’ny Renivohitra manontolo ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

04-juil-2025

Ny 15 aprily 2025 teo no voalaza fa efa hita ny marimaritra iraisana teo amin’ny

Card image cap
04-juil-2025

Manana akora fototra maro isan-karazany i Madagasikara, ary manana tany

Card image cap
04-juil-2025

Namoaka vokatra vaovao ny orinasam-pifandraisana Airtel hiarovana ny mpanjifa amin'ireo

Card image cap
04-juil-2025

Zatovovavy kely iray vao 17 taona monja monina eny Sabotsy Namehana

Card image cap
04-juil-2025

Olona 7 mianaka indray no fantatra fa tratran'ny fanapoizinana ara-tsakafo

Card image cap
04-juil-2025

Teratany vahiny iray monina eny Andranovelona Ilafy no mampitaraina ny mponina

Card image cap