airtel

Actualités

16-févr-2024

RANOBE TETSY ANOSY OMALY HARIVA

300 ka hatramin’ny 500 Ar ny nibaby olona iray

Sample post image

Nikarama mafy ny mpibaby olona omaly hariva nanomboka tamin’ny 04 ora

16-févr-2024

tetsy Anosy sy ny manodidina. Tsy nilatsaka 30 minitra akory mantsy ny ranon’orana dia efa dibo-drano tanteraka nanoloana ny lapan’ny Antenimieran-doholona sy ny teny amin’ny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ka voatery nampiakatra pataloha sy zipo avokoa ireo mpianatra sy mpiasa nirava avy any am-pianarana sy niasa. Toraka izany koa ny teny amin’ny tobim-piantsonan’ny taxibe miazo an’i Fenoarivo sy Ambatomirahavavy. Tsy vitsy noho izany ireo voatery nanakarama olona nibaby azy ka 300 Ar ka hatramin’ny 500 Ar ny nibaby olona iray niampita rano niankina tamin’ny habeny. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina lehilahy mpibaby olona iray dia mba nitondra 5.000 Ar nody izy tao anatin’ny ora roa teo ho eo. Mba nikarama toa azy ihany koa ireo mpitondra sarety izay namatratra olona niaraka tamin’ny entana nandritra iny orambe iny. Tsy nisy taxibe mihitsy mantsy teny Anosy sy ny manodidina vokatry ny fitohanana lavareny nanerana ny faritra maro hany ka nandeha sarety tsy fidiny ny olona. 600 Ar ny saran-dalana ho an’ny olona iray niazo an’Anosizato…
Pati
Legende : Tahaka izao ny ranobe teny Anosy omaly !

 

Dans la même rubrique

05-oct-2026

Tsy nisy kolikoly, nisy BIANCO sy komity,

Card image cap
05-oct-2026

Nahazo « poste fixe mixte »

Card image cap
05-oct-2026

Ela loatra ny "permis biometrika,

Card image cap
02-oct-2026

Nandika lalàna matoa vosambotra ! »

Card image cap
02-oct-2026

Napetraka ireo boky torolalana vaovao,

Card image cap
02-oct-2026

Hatsaraina ny fitantanana sy fiarovana ny volam-bahoaka

Card image cap