tetsy Anosy sy ny manodidina. Tsy nilatsaka 30 minitra akory mantsy ny ranon’orana dia efa dibo-drano tanteraka nanoloana ny lapan’ny Antenimieran-doholona sy ny teny amin’ny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ka voatery nampiakatra pataloha sy zipo avokoa ireo mpianatra sy mpiasa nirava avy any am-pianarana sy niasa. Toraka izany koa ny teny amin’ny tobim-piantsonan’ny taxibe miazo an’i Fenoarivo sy Ambatomirahavavy. Tsy vitsy noho izany ireo voatery nanakarama olona nibaby azy ka 300 Ar ka hatramin’ny 500 Ar ny nibaby olona iray niampita rano niankina tamin’ny habeny. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina lehilahy mpibaby olona iray dia mba nitondra 5.000 Ar nody izy tao anatin’ny ora roa teo ho eo. Mba nikarama toa azy ihany koa ireo mpitondra sarety izay namatratra olona niaraka tamin’ny entana nandritra iny orambe iny. Tsy nisy taxibe mihitsy mantsy teny Anosy sy ny manodidina vokatry ny fitohanana lavareny nanerana ny faritra maro hany ka nandeha sarety tsy fidiny ny olona. 600 Ar ny saran-dalana ho an’ny olona iray niazo an’Anosizato…
Pati
Legende : Tahaka izao ny ranobe teny Anosy omaly !
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny