airtel

Actualités

14-janv-2026

Resaka karipetra manga

fa tsy mena Samy manana ny kolontsainy ireo firenena

Sample post image

Isan’ny hita ho mandeha dia mandeha

14-janv-2026

amin’izao fotoana izao ny fivoizina be ny hoe tsy misy mandray 310.000 Ariary izany fa lainga, hoy ny mpanao politika, Nantenaina Rakotonirina. Lazaina fa sinema indray ilay fisavàna ny entan'ny PRRM na ny filohan’ny fanavaozana ny repoblikan’i Madagasikara teny Ivato, hoy izy. Toy izany koa ny hoe karipetra manga fa tsy mena no nasaina nodiavin’ny Kolonely sy ny vadiny na koa hoe ny lobaka tsy mipasoka. Lazaina koa fa tetikasan'ny filoham-pirenena teo aloha, Andry Nirina Rajoelina, daholo ireo atao ireo. Raha ny tianareo dia tsy hisy na inona na inona ho vanona eto. Ilaina ny fanoherana saingy maninona raha akarina ho fampandrosoana, hoy hatrany ity mpanao politika ity? Niteraka resabe tokoa moa ny mikasika ny lokon’ny karipetra na «tapis» nodiavin’ny filohan’ny fanavaozana mivady rehefa nigadona tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Abu Dhabi omaly. Ao ireo nilaza fa tsy nohajain-dry zareo arabo ny mpitondra malagasy na ny delegasionina malagasy. Misy ny miteny fa tsy ankatoavin’ireto vahiny ireto ny fitondràna misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Raha ny fanazavàn’ny mpandinika frantsay, Bernard Valeur, izay nanao fikarohana momba ny loko ary namoaka ilay boky mitondra ny lohateny hoe «La couleur dans tous ses éclats», dia manambara ny tonga lafatra ny loko manga, raha ny fomba fijery mahafaobe na «universels» no ambara. Ho an’ny kolontsaina arabo kosa izany dia midika fandriampahalemana, na ny marimarina kokoa, filaminan-tsaina. Tena mariky ny fanajàna olona ihany koa ho azy ireo, araka izany, ny fandehanana ambonin’izay karipetra manga izay fa tsy karipetra mena toy ny an’ny tandrefana. Endrika iray mampiseho koa izany fa samy manana ny kolontsaina mampiavaka azy ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany ary samy manana ny dikan’izany, ny antony, indrindra, ny maha zava-dehibe izany ho an’ilay firenena fa tsy voatery hanaraka ny an’ny tandrefana hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-mars-2026

Iaraha-mahita amin’izao fotoana izao

Card image cap
05-mars-2026

Nanao ranty fampahafantarana

Card image cap
05-mars-2026

mbola afaka mianatra

Card image cap
05-mars-2026

Nanolotra 68 miliara Ar ho an’i Toamasina ny Fanjakana Japoney

Card image cap