airtel

Actualités

01-févr-2022

Actualités

Rivodoza Basirai 1473 kmmiala ny nosy ny foibeny omaly

Sample post image

Miha manatona an’i Madagasikara hatrany ilay rivodoza Batsirai. Tany amin’ny 1 473 Km Antsinanana somary Avaratra Antsinanan’i Sainte Marie no nisy ny foibeny omaly 31 janoary

01-févr-2022

 tamin’ny 3ora tolakandro, araka ny fampitam-baovaon’ny Sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro. Nihena ny heriny ka 130 Kmora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 180 Kmh, raha toa ka mbola mbola 150 Kmora ny rivotra miaraka aminy izay narahina tafiotra 210 Kmh ho an’ny omaly tamin’ny 10 ora maraina. Mikisaka mianatsimo andrefana ny diany manomboka izao ka mahafaka 16 Kmora. Raha ny vina lavitra ezaka (amin’ny tapany faharoa amin’ny ny herinandro), dia hanambana ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy ity rivodoza ity ka ahiana hiditra an-tanety eo anelanelan’ny Sainte Marie sy Manakara, hoy ny tombatomban’ny mpamantatra ny mety ho toetry ny andro. Mba ho fiomanana mialoha dia iangaviana ireto Distrika sy faritra manaraka ireto mba hampihatra sahady ny fepetra mikasika ny filazana fanairana miloko maitso Antalaha, Analanjirofo, Toamasina I-Ii, Vohibinany(Brickaville), Vatomandry, Mahanoro, Antanambao Manampotsy, Nosy Varika, Mananjary, Manakara, Vohipeno, Farafangana, Vangaindrano Et Taolagnaro. Entanina manokana araka izany ny mponina voakasikin’ny fanairana mba hanaraka akaiky ny fivoaran’ity rivodoza ity. Mbola azo antoka fa ho maina hatrany aloha ny andro eto Madagasikara hatramin’ny rahampitso alarobia faha 02 Febroary 2022.
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Tontosa ny Sabotsy 27 aprily teo, tetsy amin’ny efitranon’ny Holafitry ny Mpanao gazety (OJM)

Card image cap
30-avril-2024

Mihasarotra andro aman’alina ny olana mianjady amin’ny Jirama amin’izao fotoana izao.

Card image cap
29-avril-2024

Tanjona ny ialan’ny malagasy amin’izao toe-draharaha izao»

Card image cap
29-avril-2024

Mbola mafy ny asa atao, ny zava-miandry, hoy ny kandida ho depiote ao amin'ny boriboritany faha 4,

Card image cap
29-avril-2024

Niverimberina tato ho ato ny fifanolanan’ireo mpivarotra eto Antananarivo sy ny fiadidiana ny kaominina Antananarivo

Card image cap
29-avril-2024

Misy namana mpiara-miasa tamiko, lehibeko, hoy ny mpanolontsain’ny SMARM na Sendikan’ny mpiasan’ny angovo

Card image cap